Fampandrosoana ny Renivohitra : Maherin’ny 174 miliara ariary ny famatsiambolan’ny tetikasa Lalankely IV
Notanterahina, omaly, ny atrikasa famaranana ny fanadihadiana momba ny fahafahana manatanteraka ny tetikasa Lalankely IV. Nazava nandritra izany ny hampiasana, ireo famatsiam-bola 40 000 000 euros (174 035 600 000 ariary), izay natokana ho an’ny tetikasa, avy amin’ny Agence Française de Développement (AFD).
Asa laharam-pahamehana ho an’ny mponina
Araka izany dia ny AFD no mamatsy vola ity tetikasa ity. Ny mampiavaka azy, tamin’ireo tetiksa Lalankely telo, teo aloha dia izy mikendry ny hanamafy ny fahaizan’ny kaominina mampiasa vola sy mandamina tsara kokoa ny fanatanterahana ny asa. Izany dia mba hanatsarana ny tolotra omena ny mponina amin’ny fahazoana fotodrafitrasa eny ifotony, indrindra amin’ireo faritra marefo izay tena iharan’ny loza vokatry ny fiovan’ny toetr’andro. Marihina moa fa ireo asa laharam-pahamehana, indrindra no tanterahina ao anatin’izany. Isan’izany ohatra ny fanamboarana lalana azo andehanan’ny fiara sy lalan-kely ho an’ny mpandeha an-tongotra. Ny fanorenana fefiloha fiarovana (digy), ary ny fananganana fotodrafitrasa ho an’ny daholobe ao amin’ireo kaominina misitraka ny tetikasa.
Nanamafy moa ny avy ao amin’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany, izay mpanatanteraka ny asa fa « tsara ny fifampiresahana, amin’ny atrikasa toy izao, mba tsy handanindaniana fotsiny ny vola azo satria tsy maintsy hoaverina izy ireny, ary mba hahitana vokatra amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny tanàna ». Marihina fa io 40 000 000 euros io dia mitsinjara roa mazava tsara. Ny 35 000 000 euros amin’izany dia fampindramam-bola izay tsy maintsy averina, ary ny 5 000 000 euros kosa dia vola atolotra tsy misy takalony mba hanatanterahana ny asa.
Kaominina miisa 18 no mpisitraka
Tanjon’ity tetikasa ity, toy ireo telo teo aloha dia ny fampandrosoana an’Antananarivo sy ny manodidina. Amin’ity andiany ity dia miisa 18 ireo Kaominina hisitraka izany. Isan’izany ny Kaominina Antananarivo Renivohitra izay misy ny Boriborintany faha-II, faha-III, faha-V ary faha-VI. Ireo kaominina manodidina kosa dia Alakamisy Fenoarivo, Ambohidrapeto, Andoharanofotsy, Ankadikely Ilafy, Ankadimanga, Ankaraobato, Alasora, Ambohijanaka, Ambohimanambola, Ambohimangakely, Ampitatafika, Fenoarivo, Itaosy, Sabotsy Namehana, Soavina, Tanjombato ary Bongatsara.
Tsara ny manamarika fa ireo asa ho tanterahina isaky ny Kaominina dia tolokevitra natolotry ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, avokoa. Hanomboka amin’ity taona 2026 ity moa ny tetikasa ary hifarana ny taona 2031, raha ny fanazavana.




