Besarety : Raim-pianakaviana iray maty nirodanan'ny trano
Ny maraina teo vao voasikotra ny nofo mangatsiakan'ilay lehilahy tavela tao amin'ilay trano nianjera. Efa hatry ny alina tontolo no nitady azy ny mpamponjy voina.
Nifofofo ny rivotra, nirotsaka ny orambe, indrindra tamin'ity herinandro ity. Omaly alakamisy 11 desambra, naharay antso fanairana ny mpamonjy voina fa misy trano mirodana eny Besarety, manakaiky ny Tsena.
Ny rihana farany ambony moa no tena voakasiky ny firodanana. Nisy ireo naratra, ka nentina avy hatrany teny amin'ny toeram-pitsaboana. Nisy raim-pianakaviana kosa nefa tavela tao, voatsindry, ka sarotra tokoa ny nitadiavana azy. Efa hatry ny omaly hariva no nanao fikarohana ireo mpamonjy voina, sady niezaka nanala ireo hazo sy biriky nibahana tanteraka ny lalana, ka ny maraina teo vao hita ilay lehilahy. Efa tsy nisy aina intsony moa ny tenany, ka nentin'ireo mpamonjy voina ny razana hanaovana fizahana sy hikarakarana ny taratasy rehetra.
Fisorohana ny loza
Zary variana amin'ny fiainana andavan'andro ny maro ka adinodino ny fikarakarana ny trano fonenana. Tena ilaina nefa ny manokana teti-bola amin'ny fikojana sy fanamboarana trano, farafaharatsiny indray mandeha isan-taona. Rehefa fotoam-pahavaratra toy izao mantsy dia mampalemy ireo akora mandrafitra ny trano ny ranobe sy ny rivotra. Mety tsy hirodana eo no ho eo ny trano, saingy tsy hahazaka ny fanamainan'ny andro mafana azy ny rindrina sy ny tolana ka hirodana amin'ny fotoana tsy ampoizina.
Mila mailo araka izany raha vao misy triatra ny trano, na misy fambara fa miha-lo ireo karazan-kazo mitazona ny "plafond". Tsara mihitsy raha misy fitsirihana ataon'ny manam-pahaizana amin'ny fanamboaran-trano isan-taona. Entanina ireo mipetraka amina trano efa mihoatra ny 25 taona mba ho tena mailo. Azo atao tsara ny mampandre ny mpamonjy voina raha toa ka misy trano mampiahiahy eny amin'ny manodidina.


