Fandriampahalemana : Tafapetraka araka ny lalàna ny « Dinan’i Androy »
Tafapetraka araka ny lalàna ny « Dinan’i Androy », izay fitsipi-pifehezana ara-piarahamonina ifanarahan’ireo Distrika maromaro any amin’ny tapany Atsimon’i Madagasikara. Tanjona amin’ny fametrahana azy ny fiantohana ny firindran’ny fiarahamonina eny ifotony.
Dina nifampidinihana teny ifotony
Ny Fitsarana Ambaratonga voalohany ao Ambovombe no namoaka ny didy ofisialy, tamin’ny 15 mey 2025, izay manamarina ny fanavaozana ny Dina « Dinan’i Androy ». Omaly 17 jona 2025 kosa no nanoratana izany araka ny lalàna. Araka ny nambaran’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany ao Ambovombe dia mifanaraka amin’ny lalàna laharana faha-2001-004 tamin’ny 25 oktobra 2001 izay mifehy ny Dina, indrindra amin’ny sehatry ny fiarovana sy ny filaminam-bahoaka, ity « Dinan’i Androy » ity.
Ny Governoran’ny Faritra Androy no nangataka tamin’ny fomba ofisialy ny fanavaozana sy fanamarinana ara-dalàna ity Dina ity. Nialohavan’ny fifampidinihana tamin’ny vondrom-piarahamonina isan-tsokajiny izany fanavaozana izany. Tanjona ny hanitsiana, hanatsarana ary hampifanarahana ny votoatin’ny Dina amin’ny zava-misy ankehitriny. Araka ny andininy faha-7 amin’io lalàna io moa dia tsy maintsy ankatoavin’ny Fitsarana ny Dina vao azo ampiharina amin’ny fomba ofisialy, ka tanteraka izany ankehitriny.
Lalàna manaja ny zon’olombelona
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa LANDJA, izay tohan’ny Tahirim-bola ho an’ny Fanamafisana ny Fandriampahalemana (Peacebuilding Fund) ary tanterahin’ny PNUD, miaraka amin’ny Solontenan’ny Firenena Mikambana misahana ny zon’olombelona (HCDH) sy ny fikambanana MSIS Tatao, eo ambany fiahian’ny Minisitry ny Fitsarana eto Madagasikara, izao fanavaozana ny “Dinan’i Androy” izao. Naneho ny fankasitrahany, amin’ny fahatanterahan’izao dingana lehibe izao, ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD) eto Madagasikara : « Dingana iray mankany amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana eny ifotony ny fanekena ofisialy ny “Dinan’i Androy” », hoy ny fanambarana. Nilaza kosa ny fikambanana Tohana sy Ainga ho an'ny Tambazotran'ny Olompirenena (MSIS Tatao) fa tena ilaina amin'ny fametrahana fandriampahalemana maharitra ny « Dina » ary azo ampanarahana ny lalàna sy ny fanajàna ny zon'olombelona tsara rehefa iaraha-misalahy.
Araka izany, manomboka izao dia ara-dalàna feno ny « Dinan’i Androy », ka azo ampiharina amin’ny fomba ofisialy ao amin’ny Faritra, ho fampanjakana ny fahamarinana sy ny filaminana, amin’ny fomba mifanaraka amin’ny kolontsaina sy ny zon’olombelona.