Mahajanga : "Charcuterie" no nahatonga fahapoizinana ara-tsakafo
Hatramin'io maraina io, miisa 3 ireo nindaosin'ny fahafatesana noho ny fihinanana "Charcuterie". Zazavavikely vao 2 taona ny iray amin'ireo maty ireo.
Raha tsiahivina, olona maromaro monina ao Tsaramandroso no nanantona hopitaly noho ny harerahana, fandoavana sy ny aretin-kibo. Na dia noraisina an-tanana aza ireo olona ireo, nafoy ny olona 3 dia olondehibe roa sy zazavavikely iray. Mbola misy olona 5 manaraka fitsaboana, ka ny iray no tena ahiana ny ainy. Ao amin'ny Hôpitaly Be Androva sy Jean-Paul II Antanimalandy no tsaboina ireo tsy salama.
Fitsirihana
Tamina "Grande Surface" iray no nividianan'ilay fianakaviana kely ny "Charcuterie" nohaniny tamin'ny Fetin'ny Ray ny alahady lasa teo. Hisy araka izany ny fitsirihana manokana ho tanterahin'ireo tompon'andraikitra eny anivon'ireo tranombarotra lehibe, araka ny tapaka tamin'ny fivorian'ireo tompon'andraiki-panjakana ao Boeny.
Mandra-pivoakan'ny valin'ny fitiliana sy hahitana mangirana amin'ny valin'ny fanadihadihana, asaina aloha ny mponin'i Mahajanga tsy hanjifa sy hihinana karazana Charcuterie. Na ireo efa manana izany vokatra izany ao an-trano aza dia mbola tsy tokony hihinana mihitsy aloha, araka ny toromarika nomen'ireo tompon'andraiki-panjakana. Mety hahavonjy ain'olona maro izany. Entanina ihany koa ireo mahatsapa tsy fahatomombanana ara-pahasalamana mba hanantona toeram-pitsaboana tsy misy hatak'andro, indrindra raha nihinana Charcuterie tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo.
Fifanomezan-tanana
Miantso amin'ny fifanomezan-tanana ny Governoran'ny Faritra Boeny, Mokhtar Salim Andriantomanga. Tsy fantatra mantsy hatreto ny tena anton'ny loza, ka sao sanatria misy "germes" na "virus" mety hifindra amina sakafo hafa. Entanina araka izany ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny eny anivon'ireo trano fivarotana lehibe na salantsalany mba hifanampy amin'izao tranga izao. "Ndao isika hifanampy aingana ahitana ny zavatra niseo mba hiarovantsika ny fahasalamam-bahoaka", hoy hatrany Andriamatoa Mokhtar Salim Andriantomanga.
Mila mitandrina ihany koa ny tsirairay, indrindra ireo mpivarotra na mpikarakara sakafo, manoloana ny sakafo lany daty sy ny fomba fitehirizana sakafo.