• Cours de change
  • 5043.45 AR
  • |
  • $4474.9 AR
Copyright Image : © Linfodrome
Image
Fahasalamana&Sakafo

Aretina « ulcère de l’estomac » : ireo tsara fantatra

29/04/2025 15:42 © Moov.Mg

Aretina iray mahavoa olona maro ny « ulcère de l’estomac ». Maro no manao tsirambina ity aretina ity vokatry ny tsy fahafantarana mazava ny mikasika azy sy ireo mety ho fahasarotana haterany. Andeha ary ho resahana eto ny atao hoe « ulcère de l’estomac », ireo antony mety mahatonga azy, ireo mety ho fahasarotana ary ny fandraisan-tanana ny aretina.

Inona no atao hoe « ulcère de l’estomac »

Ny « ulcère de l’estomac » dia ratra iray miforona ao anatin’ny vavony na eo amin’ny faritry ny lohan’ny tsinay kely atao hoe « duodénum ». Ny « acidité du liquide gastrique » no mahatonga io ratra ao amin’ny vavony na ao amin’ny tsinay kely io. Matetika dia ny fisian’ny bakteria iray ao amin’ny vavony, antsoina hoe « helicobacter pylori » no tompon’antoka voalohany amin’izany.

Ireo antony mety mahatonga ny « ulcère de l’estomac »

Ny « déséquilibre » eo anivon’ny « acidité du liquide gastrique » sy ny fomba fiarovan-tenan’ny ao anatin’ny vavony na ny tsinay kely no mahatonga ny « ulcère de l’estomac ». Maro ireo anton-javatra mety mahatonga io « déséquilibre » io, ka anisan’izany ny :
-Fisian’ny bakteria « helicobacter pyroli » ao amin’ny vavony na ny fantson’ny fandevonan-kanina. Matetika dia avy amin’ny zavatra nohanina no nahazoana azy ;
-Fihinanana karazana fanafody manala fanaintainana na « anti-inflammatoires non stéroïdiens » matetika na maharitra loatra ;
-Fifohana sigara ;
-Fisotroana toaka be loatra ;
-Rarintsaina « chronique ».

Ireo soritr’aretin’ny « ulcère de l’estomac »

Tsy voatery mitovy ny fomba fisehon’ny « ulcère de l’estomac » eo amin’ny olona tsirairay. Mety misy olona tratran’ity aretina ity tsy ahitana fambara mihintsy. Misy kosa ireo ahitana soritr’aretina toy ny hoe :
-Manaintaina, mamaivay na misy « crampe » eo amin’ny kibo. Eo amin’ny adiny 1 na adiny 3 ora aorian’ny sakafo no hitrangan’izany raha eo anivon’ny tsinay kely ilay ratra. Matetika dia amin’ny alina izy io no miseho ;
-Fikorontanan’ny fandevonan-kanina, toy ny mangotika, mandrezatra lava, maloiloy na mandoa ;
-Eo amin’ireo tranga efa « graves » dia mety misy rà mandeha rehefa mandoa na koa miloko mainty ny maloto (kakà).

Ireo mety ho fahasarotana ateraky ny aretina

Ny ankamaroan’ny « ulcères d’estomac » dia sitrana tanteraka rehefa mahazo fitsaboana ara-dalàna. Raha toa kosa ka tsy tsaboina ity aretina ity dia mety hitarika fahasarotana ara-pahasalamana :
-« Hémorragie digestive » izay mety ho « grave » sy mila « hospitalisation » ;
-Mangoaka ny ao anatin’ny vavony na ny tsinay kely ka mila fandidiana malaky ;
-« Sténose pylorique » izay fihenan’ny fisokafana eo anelanelan’ny vavony sy ny « duodénum » rehefa miverimberina be ilay « ulcère ». Izany hoe lasa tery io fisokafana io ka lasa sahirana misakafo sy mety mandoa matetika ilay marary ;
-Mivadika lasa homamiadan’ny vavony.

Fitsaboana sy fisorohana

Raha misy iray na ny maromaro amin’ireo soritr’aretina voalaza teo ambony ireo dia mila manantona mpitsabo avy hatrany. Ny mpitsabo no afaka manao ny fizahana ahafantarana fa tratry ny « ulcère de l’estomac » tokoa ny marary iray. Izy ihany koa no mamaritra ny fitsaboana sy ny fandraisan-tanana mifanaraka amin’izany.
Anisan’ireo fomba fisorohana ny aretina « ulcère de l’estomac » ny :
-Fitsaboana ny « infection à l’helicobacter pylori » raha misy ity bakteria ity ;
-Fitandremana tsara amin’ny fampiasana ireo fanafody « anti-inflammatoire » (AINS). Tsy manao dokotera tena fa rehefa mahazo alalana avy amin’ny mpitsabo vao mihinana azy ireny ary arahana tsara ny fe-potoana sy ny fatra ;
-Fialana sigara ary ny famerana ny fisotroana toaka.

Lire la suite

Articles Similaires