Ireo fomba fikarakarana tarehy ao an-trano tokony hialana tanteraka
Maro ireo fomba fikarakarana tarehy hita amin’ny tambajotra sosialy sy aterineto izay mampanantena hodi-tava madio, mangirana ary tsy misy mony. Marihana nefa fa misy amin’ireo fangaro ampiasaina ao an-trano no mety hanimba ny hodi-tava, hampisy « irritation » sy hiteraka olana maharitra. Ilaina noho izany ny mitandrina tsara alohan’ny hanosorana akora « natoraly » mivantana amin’ny tarehy.
Fikarakarana tarehy ao an-trano tokony hialana : voasarimakirana tsy mitapoka
Maro no mampiasa ranom-boasarimakirana mba hanalana pentina na hanamaivanana ny hodi-tava. Be asidra be nefa izy io ka mety hahatonga ny hoditra hamaivay, hivaramena na ho « irritée ». Mety mbola mampidi-doza kokoa aza satria ny voasarimakirana dia mety hampitombo ny fahatsapan’ny hoditra ny tara-masoandro. Raha izany no mitranga dia mety ho may sy hisy pentina mainty maharitra miseho eo amin’ny tarehy raha tratry ny masoandro matetika.
Karibonetra
Isan’ireo akora atoron’ny olona ao amin’ny aterineto hanaovana « gommage » na fanafody hiadiana amin’ny mony ny karibonetra. Tsy mifanaraka amin’ny « pH » voajanaharin’ny hoditra nefa izy io. Ny fampiasana azy matetika amin’ny tarehy dia mety hanimba ny fiarovana voajanaharin’ny hoditra ka hahatonga ity farany ho maina, mora « irritée » na mora tohin’ny anton-javatra ivelany. Mety hampitombo ny « risques » hampisy « irritation » ny fampifangaroana voasarimakirana sy karibonetra.
« Dentifrice » amin’ny mony
Mbola misy hatrany ireo mampiasa « dentifrice » mba hanamainana ny mony amin’ny tarehy. Raha ny marina anefa dia natao ho an'ny nify irery ihany ny « dentifrice » fa tsy ho an'ny hoditra. Mety hahatonga ny hodi-tava hivaramena, makiana na « irritée » ny akora sasany ao anatiny. Mba hampitoniana sy hitsaboana ny tarehy misy mony dia tsara kokoa ny mampiasa vokatra manokana natao ho an’izany izay atondron’ny « dermatologue ».
« Gommage » mahery amin'ny siramamy na sira
Maro ny olona mampiasa ny siramamy sy ny sira ho fanalana ny sela maty amin’ny hodi-tava. Na dia akora natoraly aza izy ireo dia mety maranitra loatra raha anaovana « gommage » ny hoditry ny tarehy. Ny fikosehana mafy sy matetika dia mety hiteraka ratra madinika tsy hita maso izay manamora ny fisian’ny « inflammation » sy ny « irritation » eo amin’ny hodi-tava.
« Huile essentielle » tsy mitapoka
Misy « huiles essentielles » sasany lazaina fa manampy amin'ny ady amin'ny mony na ny tasy amin'ny hoditra. Rehefa apetaka mivantana tsy misy fangaro hafa nefa izy ireny dia mety hiteraka « allergies » na « irritation ». Ampatsiahivina hatrany fa mila fitandremana lehibe ny fampiasana « huile essentielle », indrindra eo amin’ny tarehy, noho izy ireny mahery vaika.
Inona no maha zava-dehibe ny fitandremana amin’ny fikarakarana ny tarehy ?
Tsy voatery azo antoky ny akora iray noho izy « natoraly ». Misy akora maro ampiasaina amin'ny sakafo izay tsy natao hampiasaina mivantana amin'ny hoditra. Alohan'ny hanarahana fomba fikarakarana tarehy hita amin'ny aterineto, dia tsara foana ny manamarina raha tena voaporofo ara-tsiantifika ny fahombiazany sy tsy atahorana hisy vokadratsiny. Raha misy fisalasalana dia tsara kokoa ny manatona mpitsabo hoditra.




