• Cours de change
  • 5040.3 AR
  • |
  • $4482.31 AR
Copyright Image : © Libération
Image
Vaovao

Îles Eparses : Mitohy ny fitakiana ataon’i Madagasikara, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny

28/04/2025 16:19 © Moov.Mg

Mbola mitohy ny fitakian’i Madagasikara ny hamerenana aminy ireo tangoronosy manodidina, na ny « Îles Eparses », araka ny nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, androany, tao anatin’ny tatitra nataony momba ny Fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina andiany faha-5.

Nanatanteraka tatitra momba ny fitsidihana ara-panjakana nataon’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, sy ny Fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina andiany faha-5, izay notontosaina tamin’ny herinandro lasa teo, ny ministeran’ny Raharaham-bahiny malagasy. Isan’ny nifantohan’ny resaka nifanaovan’ny minisitra Rasata Rafaravavitafika tamin’ny mpanao gazety, ny momba ireo Nosy Manodidina. Raha ny nambaran’i Emmanuel Macron, nandritra ny fandalovany teto Madagasikara mantsy, dia mirona kokoa mankany amin’ny fiaraha-mitantana ireo Nosy ireo ny fanirian’i Frantsa.

Tsy miova ny fitakiana ny îles éparses

Nilaza kosa rtoa Rasata Rafaravavitafika, fa tsy mbola nitsahatra ny fitakiana izany nosy izany ary manamafy ny fitakiana isika ankehitriny, matoa mbola miditra ao anatin’ny fifampiresahana amin’ny firenena frantsay. Tsy miova amin’izay fitakiana efa natao teo aloha i Madagasikara, hoy izy, ary ny lalàna iraisam-pirenena no efa manaiky izany. Notsiahivin’ny minisitra, fa nangataka tamin’ny filoha frantsay ny filoha Andry Rajoelina, tamin’ny taona 2019, ny amin’ny hirosoana amin’ny dingana famerenana ireo nosy kely manodidina amin’i Madagasikara. Io taona io ihany dia nirosoana ny fanatanterahana ilay fanapahan-kevitra noraisin’ny Firenena Mikambana, dia ny hamerenana amin’ireo zana-tany taloha ireo tany rehetra mifandraika amin’ny velaran-taniny. Nisy, araka izany, ny rafitra napetraka, izay nanatontosa ny dinika voalohany, nifampiresahan’ny firenena malagasy sy frantsay. Tamin’izany no nananganana ny vaomiera iraisana (commission mixte) teny amin’ny Lapan’Andafiavaratra.

Dinika hitohy any Frantsa

Araka ny tapaka dia hitohy any Frantsa amin’ny 30 jona 2025 ny dinika mikasika ny famerenana ireo tangoronosy amin’i Madagasikara. Araka ny fanazavan’ny minisitra Rasata Rafaravavitafika, dia hisy ny fananganana komity vaovao, izay handrafitra ny delegasiônina malagasy, hanatanteraka ity dinika ity. « Ny rafitra ara-pomba ofisialy izay handinihana izany dia ny vaomiera iombonan’ny Firenena roa tonta », hoy izy.
Raha tsiahivina, nosy kely miisa dimy, manodidina an'i Madagasikara, ny " Iles éparses " dia : Basas Da India, Europa, Tromelin, Iles Glorieuses ary Juan de Nova.

Lire la suite

Articles Similaires