Fampianarana ambony : Niampy sampam-pianarana miisa telo ao amin’ny Oniversiten’Analanjirofo
Tsy mijanona miroborobo ny Oniversiten’Analanjirofo izay efa nandrasan’ireo mponina hatry ny ela. Raha notokana io toerana io ny taona 2024 dia niampy telo amin’izao ny sampam-pianarana azo arahina. Ao anatin’izany ny sampana toekarena, fizahan-tany ary ny « paramédicaux ».
Oniversite ho an’ny daholobe
Amin’ny ankapobeny dia azo lazaina ho Oniversite madinika manana ny toerany tsara ity any Analanjirofo ity. Hahafahan’ireo mpianatra mivoatra hatrany dia manomboka ampy ihany koa ny fotodrafitrasa ao an-toerana. Farany teo izao dia afitrano lehibe na « amphithéâtre » iray mahazaka mpianatra hatramin’ny 400 eo ho eo no no tokanana. Ity farany ity izay ho ampiasain’ireo mpianatra rehetra, indrindra ireo avy amin’ireo sampana vaovao ireo.
Raha ny fanazavana nandritra ny fitokanana dia sampam-pianarana ilain’ny olona any an-toerana no tena himasoana sy omena lanja ao. Ny « paramédicaux » kosa no tena mahaliana ireo mpianatra, ary afaka mandray mpianatra, lahy sy vavy miisa hatramin’ny 2 000 amin’izany, ao an-toerana amin’izao.
Fampitaovana matotra
Ankoatra ireo efitrano fianarana sy ireo fanampiana sampam-pianarana ireo dia efa azo lazaina ho ampy ihany koa ny fampitaovana. Efa mandeha sy azo ampiasaina soa aman-tsara ny « salle informatique » izay vao nahazoana solosaina maromaro. Toy izany ihany koa ny toerana fatorian’ireo mpianatra izay mahazaka eo ho eo amin’ny olona miisa 160 eo. Vao nahazo kidoro sy farafara ihany koa ireo efitrano ireo. Ireo mpianatra avy amin’ny toerana alavitra no efa misitraka izany. Tsara mantsy ny manamarika fa azo arahina ao an-toerana ihany koa ny sampana mikasika ny fiompiana sy ny fambolena ary ny fanodinana ireo vokatra ho sakafo.
Etsy ankilany efa amperin’asa ny Wifi maimaim-poana ho an’ny mpianatra amin’izao fotoana izao ; izy ity izay nangatahan’ireo mpianatra ireo hanamorana ny fikarohana sy ny fianarana.
Etsy ankilany moa dia efa matotra tsara ny fiarahamiasa misy amin’ity sekoly ambony ity amin’ireo Oniversite any ivelany toy ny Université de Liège izay efa nahitana mpianatra avy any Analanjirofo nanitatra fahaizana tany.