Fahatapahan-drano : Eo am-panamboarana ilay fantsona lehibe vaky eny Mandroseza I ny JIRAMA
Toerana maro eto Antananarivo renivohitra androany no nisedra fahatapahan-drano, vokatry ny fahavakisan’ny fantsona lehibe 600mm eny Mandroseza I. Ao anatin’ny fanamboarana izany tanteraka ny eo anivon’ny JIRAMA, araka ny fampitam-baovao.
Fantsona vaky ao Mandroseza
Ny sabotsy 26 aprily 2025 teo no nandefa fampilazana ny orinasa Jiro sy Rano Malagasy fa vaky ny fantsona lehibe 600mm ao Mandroseza I ary hotanterahina androany alatsinainy 28 aprily 2025 ny asa fanamboarana izany. Tamin’ny 7 ora maraina, araka izany, no efa am-periny tamin’ny fanarenana ity fantsona ity ireo teknisianina sy tomponandraikitra avy eo anivon’ny JIRAMA. Araka ny vinavina hatrany am-piandohana, dia haharitra adin’ny 8 ny asa fanarenana. Nanamafy ny Jirama, androany tolakandro, fa hiasa andro sy alina izy ireo, mandrapahavitan’ny asa.
Ireto avy ireo toerana voakasiky ny fahatapahan-drano, mandrapanarenana ity fantsona vaky eny Mandroseza I ity, araka ny nampitain’ny avy eo anivon’ny JIRAMA : Ambohijatovo, Faravohitra, Ambatonakanga, Antaninarenina, Ambatovinaky, Ambohidahy, Amparibe, Antaninandro, Behoririka, Andravoahangy, Ambatomitsangana, Manjakaray, Anjanahary, Amboditsiry, Tsiadana, Fort-voyron, Mahamasina, Ampandrana, Ankadivato, Ambanidia, La Haute ville, Mahazoarivo, Ankadievo, Alasora, Imerimanjaka, Ankaraobato, Tanjombato, Andoharanofotsy, Fort-Duchesne, Ampandrianomby, Ampanotokana, Andraisoro, Antsahameva.
Mihena ny rano ao Andekaleka
Etsy an-daniny, misy fikorontanana ihany koa ny famatsiana herinaratra eto Antananarivo, noho ny fihenan’ny haavon’ny tohodrano ao Andekaleka, izay manome ny ampahatelon’ny famokarana herinaratra eto Antananarivo, hoy ny filazana avy amin’ity orinasa mpamokatra herinaratra ity. Vokatr’izany dia tsy ampy ny vokatra herinaratra tokony hotsinjaraina isan-tokantrano. Nanapa-kevitra ny hanapaka 11,6 MW ka hatramin'ny 13,8 MW, mandritra ny adin’ny roa eo ho eo, noho izany ny JIRAMA. Voakasik’izany fanapahana izany ireo rehetra misitraka ny famatsiana herinaratra avy amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA).