• Cours de change
  • 5042.92 AR
  • |
  • $4488.02 AR
Copyright Image : © Nt
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 21 hatramin'ny 27 aprily 2025

28/04/2025 00:05 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 21 hatramin'ny alahady 27 Aprily 2025

Fiangonana Katolika # Nodimandry ny Papa François

Nindaosin'ny fahafatesana teo amin'ny faha-88 taonany, tamin'ny alatsinainy 21 aprily, ny Papa Fransoa, Ray Masina amperin'asa. Filohan'i Vatican ny tenany sady lehiben'ny Eglizy katolika manerantany. Noho ny AVC no nitarika ny fahafatesany, na dia efa nihatsara aza ny toe-pahasalamany.
Nanomboka ny alarobia 23 aprily lasa teo no napetraka tao amin'ny fiangonana Basilika Md Piera ny nofony, ka nahafahan'ireo mpino kristiana sy olon-tsotra nanao veloma farany azy. Tontosa ny sabotsy 26 aprily kosa ny fandevenana azy, tao amin'ny Basilika Sainte Marie Majeure, izay natrehan'ny filoha Malagasy mianakavy kely sy Eveka 2 avy Madagasikara. Tena tsotra na ny lanonam-pandevenana na ny vatom-pasany, araka ny hafany.

Fiangonana Katolika # Hifidy ny Papa vaovao ny kardinalin'i Madagasikara

Handray anjara amin'ny "Conclave" izay hifidianana ny Papa Ray Masina vaovao ny Kardinaly Mgr Désiré Tsarahazana, Arsevekan'ny diosezin'i Toamasina. Miisa 135 ireo kardinaly manerantany latsaky ny 80 taona handray anjara amin'ny fifidianana. Izy ireo ihany no mifampifidy ho Papa. Ao amin'ny Chapelle Sixtine moa no mitokana ireo Kardinaly ireo mandra-pahazo vokatra.
Aorian'ny fisaonan'ny Eglizy Katolika, izany hoe aorian'ny 4 may, ny Conclave. Nanomboka ny 26 aprily, andro nandevenana ny Papa François, ny 9 andro fisaonana.

Fitsidihana ara-panjakana # Nitsidika an'i Madagasikara i Emmanuel Macron

Ny alarobia 23 aprily no nigadona teto Madagasikara ny filoham-pirenena Emmanuel Macron sy ny vadiny ary ny delegasiona frantsay. Fitsidihana ofisialy no notanterahiny, ka nakotroka tokoa ny fandraisana. Nisy fifandinihana manokana notanterahiny niaraka tamin'ny filoham-pirenena Malagasy Andry Rajoelina, izay narahina fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa. Teboka enina no iarahan'ny firenena roa tonta miara-miasa, ka ao anatin'izany ny angovo sy ny fitanterana an-dalam-by. Nisy ihany koa ny fihaonana tamin'ireo mpandraharaha sy tanora malagasy.

Fihaonambe COI # Nivondrona teto Madagasikara ny Nosy 5

Tontosa soa aman-tsara ny alakamisy 24 aprily ny Fihaonambe COI, izay nandraisan'ny Nosy 5 anjara. Filoham-pirenena 3 sy praiminisitra iray, ombam-bady avy sady miaraka amina delegasiona manokana, no vahiny manankaja noraisin'i Madagasikara.
Noresahina manokana nandritra ny Fihaonambe ny fahavitantena ara-tsakafo, sady izany rahateo no tanjona iombonan'ny Nosy 5 mpandray anjara. Maro ihany koa nefa ireo sehatra nifampidinihana, toy ny fampianarana, ny fahasalamana ary ny angovo.

Harem-pirenena # Naverin'i Maorisy ny volamenan'i Madagasikara

Vokatry ny fiaraha-miasan'ny Fandintseranana eto Madagasikara sy any Maorisy, natolotra nandritra ny famaranana ny Fihaonambe COI ny volamena milanja 25,5 kg. Tra-tehaka tao amin'ny Nosy Maorisy izany volamena izany, noho ny fanondranana an-tsokosoko, ny volana janoary taona 2019. Teratany Malagasy miisa telo no nahatratrarana izany, tao amin'ny Aéroport Sir Seewoosagar Ramgoolam (SSR), niaraka tamina vola 6 000 euros. Nikasa ny handeha any Mumbai Inde ny roa tamin'izy ireo, raha saika hihazo an'i Dubaï ny iray.

Angovo # Tetikasa Volobe Amont

Manatevin-daharana ny AXIAN Energy sy Africa50 ny EDF, mba hanamafisana ny fahaiza-manao ara-teknika sy ara-bola mikasika ny tetikasa. Nosoniavina tamin'izany koa ny fifanarahana momba ny petrabola vaovao ka : AXIAN Energy sy EDF Renewables dia samy manana 37,5%, raha 25% kosa ny an'ny Africa50. Handray anjara 20% amin'ny petra-bola kosa ny Fanjakana malagasy.
Misokatra ny birao ao Toamasina sy Volobe. Mifanaraka amin’ny didy aman-dalàna eto an-toerana sy ny fenitra iraisam-pirenena ny tetikasa, indrindra eo amin’ny resaka famindran-toerana, ny zava-miaina samihafa ary ny fanohanana ara-tsosialy. Ampahatsiahivina fa tokantrano maherin'ny 360 000 no hisitraka angovo avy amin'ny asa izay ho tanterahina.

AKAMASOA # Hahazo 100 000 Euros avy amin'i Emmanuel Macron mivady

Ny fitsidihana ny AKAMASOA, tarihan'ny Père Pedro Opeka, no namaranan'ny filoham-pirenena frantsay Emmanuel Macron sy ny vadiny ny fandaharam-potoany teto Madagasikara. Nitolagaga izy ireo nahita ireo ankizy marobe nihira sy nandihy, tao anatin'ny hafaliana sy ny fifankatiavana. Noderainy manokana izany satria maneho fa feno fanantenana ireo ankizy ireo hanana hoavy mamiratra.
Nambaran'ny filoha Frantsay àry fa mahazo fanomezana 500 tapitrisa ariary eo ho eo ny Akamasoa. Entina hanaovana lakilasy vaovao izany vola izany, hampiroboroboana hatrany ny fampianarana eny amin'io Akany io, hoy ny Père Pedro.

Fanadiovana an'Antananarivo # Hitohy ireo ezaka efa natomboka

Marobe ireo fotodrafitr'asa nohavaozina nandritra ny fiomanana tamin'ny fandraisana ny Filoham-pirenena Frantsay sy ny Fihaonambe COI. Natao totoafo ihany koa ny fanadiovana. Ho tohizana izany ezaka izany, araka ny nambaran'ireo tompon'andraikitra eto amin'ny tanànan'Antananarivo. Himasoana manokana ny fanadiovana tanteraka ny farihin'Anosy sy ny manodidina, sady efa natomboka rahateo ny asa. Entanina ny rehetra, na kely na lehibe, hanaja ny fahadiovana sy hitandro ireo fotodrafitrasa iombonana.

Mahajanga # Mpianatra 5 maty an-drano

Mpianatry ny Lycée Manjakandriana miisa 5, iray vavy, efatra lahy no maty dobo an-drano, ny alakamisy 24 aprily lasa teo. Nilomano teny amin'ny ranomasin'Antsanitia izy ireo. Rendrika tampoka ny tovovavy iray ka nanavotra ny mpiara-mianatra miisa 5. Tsy avotra ilay navotana, ary rendrika ihany koa ireo mpanavotra miisa 4.
“Voyage d’étude” na dia fibeazana no naleha, kinanjo zava-doza no nitranga. Ny maraimben'ny zoma 25 aprily moa no nitodi-doha niverina ireo mpianatra sy mpampianatra nitondra ireo razana 5.

Ambatofinandrahana # Hananganana tobim-pamokarana herinaratra

Hatsangana ao Ambatofinandrahana ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny alalan’ny rian-drano, izay manana tanjaka 140 MW. Maro ny tombontsoa ho azon’ireo mponina any an-toerana satria, tokantrano miisa 70.000 no hisitraka izany herinaratra izany, ary hiteraka famoronana asa ho an’ny mponina any an-toerana ihany koa ny tetikasa. Ny famatsiam-bola hahatomombana ny tetikasa moa dia 314.000.000 Euro kosa ny fananganana fotodrafitrasa. Misy vola fanampiny 650.000 Euro ilaina amin'ny fanadihadihana.

Mantasoa # 3 lahy no maty an-drano

Telolahy no latsaka an-drano tao amin'ny Lac Mantasoa ny talata 22 aprily lasa teo. Mpirahalahy ny roa tamin'izy ireo, ary mpamily fiara ny iray. Voalazan'ireo nanatri-maso fa nahita lakana izy telolahy ka nentin'izy ireo izany. Fefika nefa ilay lakana rehefa teny ampovoan-drano.
Na dia ivelan’ny ny fari-piadidian'ny CUA aza ny toerana, tonga nanampy hatrany ny Sapeur-Pompier Antananarivo Renivohitra, notarihin’ny Cdt Éric. Araka izany, ireo mpamonjy voina no naka ireo razana tao anaty rano. Efa naverina tamin'ny fianakaviany avy ireo razana.

Oniversiten'Antananarivo # Andro Iraisampirenena ho an'ny Boky 2025

Tontosa ny Zoma 25 Aprily lasa teo ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Boky, andiany faharoa, nokarakarain'ny Fakiolte hay hary, hay fitantanana, hay fiarahamonina (Faculté EGS). Ny Pr Rabenoro Irène, filohan'ny Akademia Malagasy, no reny mpiahy ny hetsika.
Navoitra nanditra izany fankalazana izany ny hoe "Boky, Mpanoratra : Andrin'ny Fampandrosoana". Nisy trano heva niarahana tamin'ireo mpanonta sy mpaninjara boky, atrikasa famakiana sy fanoratana boky, famelabelaran-kevitra niarahana tamin’ny mpanakanto Dama (Mahaleo), ary adihevitra.
Nanamafy ny Sojaben'ny Fakiolte, Pr Ramaromanana Fanomezantsoa, fa natao indrindra hampitombo ny fitiavan'ny mpianatra mamaky boky ilay hetsika, na dia eo aza ny fandrosoan’ny teknolojia.

Jiu-jitsu # Namiratra i Madagasikara nandritra ny Open Africa

Notontosaina ny sabotsy 26 sy alahady 27 aprily ny Open Africa taranja Jiu-jitsu, tany amin'ny Nosy Maorisy. 20 mianadahy no nisolo tena an'i Madagasikara.
Namiratra tokoa ireo mpikatroka Malagasy satria mitontaly 28 be izao ny Medaly norombahin'izy ireo : 20 Medaly volamena, 6 Medaly Volafotsy ary 2 Medaly Alimo. Miha-mamiratra ny hoavin'i Madagasikara amin'ity taranja tsy dia mahazatra firy ity. Raha ny vokatra no jerena dia azo lazaina fa matihanina tanteraka ny mpikatroka Malagasy eto Afrika.

Lire la suite

Articles Similaires