Fandevenana ny Papa François : Miombona ao Vatican ny fon'izao tontolo izao
Androany sabotsy 26 aprily 2025 ny fandevenana ny Papa François, araka ny fandaharam-potoana efa napetraky ny fiadidiana an'i Vatican.
Tapitra omaly hariva ny fahafahan'ny rehetra nijery ny vatana mangatsiakan'ny Papa François. Nasiana tombokase sy nohidiana tanteraka ny vatam-paty misy ny nofony.
Fikarakarana farany
Efa vita an-tsakany sy an-davany ny fikarakarana farany ny nofo mangatsiakan'ny Papa François. Tsy nofonosin-damba tanteraka akory ny vatany. Nosaromana lamba fotsy fotsiny ny tarehiny sy ny ranjony.
Tsara ny manamarika fa nampiakanjoana toy ireny hitarika lamesa ireny mihitsy ny Papa Fransoa, ka miaraka amin'ny kirarony mihitsy izy ao anaty vatam-patiny. Ny Peratra anaovany dia haingo fotsiny sisa, satria ilay Peratra naha-Papa azy dia efa nopotehina tamin'ny andro nahafatesany. Mitazona Toko Saple ihany koa ny tanany.
Efa voaomana ihany koa ny fasany, izay ao amin'ny Basilique Sainte Marie Majeur, araka ny hafatra napetrany. Tena tsotra ny fasany, satria efa nanafatra izy fa tsy asiana haingo isan-karazany izany, fa asiana anarana fotsiny hoe "Franciscus". Mazava ho azy fa misy sarina lakroa ihany koa ilay vatom-pasana.
Sorona Masina
Manoloana ny Basilique Saint-Pierre, fiangonana niandrasana ny nofo mangatsiakan'ny Papa François, ny Sorona Masina ho an'ny filan-tsasatry ny fanahiny. An'aliny maro ireo avy ao Vatican sy ny manodidina no hiara-hiombom-bavaka, ary indrindra avy amin'ny firenena maro hafa manerantany. Anisan'ireo efa nanamarina ny fahatongavany ohatra ny Filoham-pirenena Frantsay, Emmanuel Macron, izay nanajanona ny fitsidihany ny Nosy Maorisy mihitsy. Hanotrona ny fandevenana ihany koa ny Filoham-pirenena Amerikana Donald Trump. Ampiahatsiahivina fa sady filoham-panjakana ao Vatican ny Papa François, fa tsy lehiben'ny Eglizy Katolika fotsiny.
Araka ny efa voalaza, manana solotena roa i Madagasikara amin'izao fandevenana ny Papa Ray Masina izao : Ny Kardinalin’i Madagasikara sady Arsevekan’i Toamasina, Mgr Désiré TSARAHAZANA; sy ny filohan’ny fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, Mgr Fabien RAHARILAMBONIAINA. Efa any an-toerana ihany koa ny Filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina.
Fisaonana
Aorian'ny Eokaristia Masina notononina ny teny izay manamarika fa miditra amin'ny 9 andro fisaonana ny Eglizy Katolika manerantany. Hatramin'ny 04 may izany dia eny amin'ny atenatenany foana ny saina mavo sy fotsy.
Rehefa vita io 9 andro fisaonana io, hiditra amin'ny "Conclave" izay hifidianana ny Papa vaovao ny ao Vatican. Miisa 135 moa ireo kardinaly mandray anjara amin'izany. Hatramin'izay nahafatesan'ny Papa François ka hatramin'ny handraisan'ny Papa vaovao ny fiandrianany, ny Cardinal "Camerlengue" Kevin Farrell no misahana ny fampandehanan-draharaha ao Vatican sy ny fiangonana katolika manerantany.