• Cours de change
  • 5042.92 AR
  • |
  • $4488.02 AR
Copyright Image : © Imaz Press Réunion
Image
Vaovao

Père Pedro : Nahazo mariboninahitra Frantsay

25/04/2025 20:02 © Moov.Mg

Notoloran'ny Repoblika Frantsay ny mariboninahitra "Officier de la Légion d'honneur" ny Père Pedro Opeka, mpanorina sy mpitantana ny Akamasoa eto Madagasikara. Tamin'ny taona 1989 moa ny tenany no nanorina ny Akamasoa.

Tsy manam-paharoa ny soa vitan'ny Père Pedro teto Madagasikara. Mivelatra hatrany sady miroborobo fatratra ny akany tantanany, dia ny AKAMASOA. Nahaorina tanàna lehibe mihitsy ny tenany, izay sady misy trano fonenana marobe, misy sekoly ambaratonga fototra hatramin'ny Oniversite, misy toeram-pitsaboana ary misy fiangonana. Misy faritra mahafinaritra azo anaovana fety sy itsangatsanganana ihany koa ny eo anivon'ny Akamasoa.
Noho izany rehetra izany, sy ireo tetikasa marobe mbola kasain'ny Père Pedro, notoloran'ny filohampirenena Frantsay Emmanuel Macron ny mariboninahitra "Officier de la Légion d'honneur" ny tenany. Tsara ny manamarika fa efa nasondrotry ny Fanjakana Malagasy amin'ny laharam-boninanitra "Grand Croix du 2ème Classe de Madagasikara" ny Père Pedro, tamin'ny taona 2019 (fankalazana ny faha-30 taonan'ny Akamasoa).

Akany miavaka manerantany

Nanohana ny fon'ny filoham-pirenena mivady ny fandraisan'ireo mponin'ny Akamasoa azy ireo omaly alakamisy 24 aprily 2025. Nandefa horonantsary mirakitra ny fankasitrahany ireo ankizy beazina ao amin'ny Akamasoa mihitsy ny filoha Emmanuel Macron tao amin'ny pejiny Facebook. Tsiahivina moa fa hisitraka lelavola 500 tapitrisa ariary eo ho eo, na 100 000 euros, ny Akamasoa. Nambaran'ny Père Pedro fa hanamboarana efitrano fianarana fanampiny io vola io, mba hampitomboana ny isan'ny ankizy azo raisina mianatra. Ny mba hahatafita ireo kamboty sy sahirana no tena tanjona, ka hahareseny tanteraka ny fahantrana.
Avy any Argentine, tahaka ny Papa François, ny Père Pedro, ary efa ho 40 taona izay izy no teto Madagasikara.

Mpitarika hentitra

"Mafy làlana" ny eny anivon'ny Akamasoa : beazina hanaja fitsipika matotra na ny lehibe na ny kely, mba hivoatra tanteraka amin'ny fiainana. Amin'ny ankapobeny, tsy maintsy miasa ireo lehibe, ary mianatra kosa ireo ankizy. Efa misy fandaminana sy fanaraha-maso isan-karazany atao mba tsy ho very maina ny ezaka rehetra atao.
Porofon'ny fanajan'ireo mponina ao amin'ny Akamasoa ny fandaminana ny fahadiovan'ny tanàna amin'ny fotoana rehetra. Eo ihany koa ny firaisan'izy ireo hina rehefa misy lanonana na fitsidihana. Matetika dia manolotra seho (hira sy dihy) hatrany ireo ankizy sy tanora.

Lire la suite

Articles Similaires