• Cours de change
  • 5042.92 AR
  • |
  • $4488.02 AR
Copyright Image : © Prime Guide De Destinations
Image
Vaovao

Herinaratra : Olona maherin’ny 400 000 no hahazo tombony amin’ny tobim-pamokarana avy amin’ny rian-drano ao Antetezambato

25/04/2025 16:34 © Moov

Naverina noresahina indray ny tetikasa famokarana herinaratra avy amin’ny rian-drano ao Antetezambato, Distrikan’Ambatofinandrahana, nandritra ny fandalovan’ny Filoham-pirenena Frantsay teto Madagasikara. Nifantohan’ny resaka mantsy ny mikasika ny angovo ka isan’ny voaresaka ity toby afaka hampisitraka herinaratra ho an’olona hatramin’ny 400 000 ao Amoron’i Mania ity.

Manana tanjaka 140MW

Hanampy ny mpisitraka amin’ny lafiny maro samihafa ny fananana ity herinaratra avy amin’ny rian-drano ity. Hanana tanjaka hatramin’ny 140 MW ity fotodrafitrasa ity ka hahatratra 900 GWh isan-taona ny herinaratra ho ampiasaina ao anatin’izany. Ho ampidirina amin’ny tambazotra iraisana (Réseau Interconnecté) kosa io herinaratra io ka amin’ny alalan’izany no hisitrahan’ireo olona 400 000 na tokantrano 70 000 ny tombony amin’ny fahazoana jiro avy amin’ity tetikasa ity.

Hitondra fanovana ho an’ny faritra

Ankoatra ny resaka famatsiana herinaratra, hitondra famoronana asa ihany koa ny tetikasa. Tombanana ho eo anelanelan’ny 2 000 ka hatramin’ny 3 000 ny asa mivantana sy ankolaka ho vokatr’izany. Isan’izany ohatra ny fananganana ny toby, ny fampisakafoanana ireo mpiasa, ny fitantanana ny toerana sy ny maro hafa.
Etsy andaniny dia afaka hanamafy ny fandriam-pahalemana, indrindra amin’ny toerana ambany vohitra ny fisiany. Raha tsiahivina mantsy dia ny andro alina sy maizina no tena mampirongatra ny vaky trano sy ny vono olona, indrindra tsy hahafahana manenjika ny mpanao ratsy. Araka izany, hanampy ireo mponina amin’ny lafiny maro ity tetikasa ity.

Fomba famatsiam-bola

Ho an’ny fanatanterahana tanteraka ny tetikasa dia mila hatramin’ny 314 tapitrisa Euros ny ny fananganana ny fotodrafitrasa, hoy ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo.Ankoatra izay dia mbola mila 650 000 Euros hoenti-manatanteraka ny lafiny fanadihadiana ihany koa. Raha ny Fanjakana no mamatsy vola amin’ny alalan’ny findramam-bola "concessionnel" na "semi-concessionnel", dia tombanana ho 0,035 Euros isaky ny 1kWh ny vidin’ny herinaratra.

Lire la suite

Articles Similaires