• Cours de change
  • 5048.02 AR
  • |
  • $4498.02 AR
Copyright Image : © Nt
Image
Vaovao

Mahajanga : Mpianatra 5 maty an-drano

25/04/2025 07:44 © Moov

Mpianatra 5 avy any amin'ny lisea iray any Manjakandriana no indray maty an-drano tany Antsanitia Mahajanga, omaly 24 aprily.

“Voyage d’étude” na dia fibeazana no naleha, kinanjo zava-doza no nitranga.

Samy rendrika

Mpianatra miisa 90 no nentina tompon’andraikitra sy mpampianatra miisa 16 tany Mahajanga. Tamin’ny 12 Ora sy sasany atoandro teo ho eo no nanomboka ny filomanosana teo amin'ny plage Antsanitia Belobaka. Nony afaka minitra maromaro, toa voasinton’ny rano ny tovovavy iray. Nikoropaka nanavotra azy ireo mpiara-mianatra aminy miisa 5. Rendrika nefa ny navotana sy ny mpanavotra 4 : iray vavy sy efa-dahy. Azo heverina fa tafiditra tamina faritra misy “courant d’arrachement” mahery sady misintona izy ireo ka niezaka nanohitra.
Nanavotra ihany koa ireo tompon’andraikitra sy mpianatra hafa, ka vetivety ihany dia tafavoaka tao anaty rano izy dimy mianadahy. Nentina tany amin’ny toerana-pitsaboana ireto farany, teny amin'ny hopitaly Manarapenitra Mahavoky Atsimo, saingy samy tsy tana ny ainy.
Efa vitan'ireo tompon'andraikitry ny kaominina Mahajana ny alina teo ny taratasy hitondrana ny razana mody.

Fadifady

Araka ny nambaran'ireo tompon-tany, avy amin'ny foko Sakalavan'i Boeny, tena be fadifady eny amin'ny ranomasin'Antsanitia. Anisan'izany ny tsy tokony hikitihana rano rehefa talata sy alakamisy (tsy azo androana ny rano amin'ireo andro ireo). Amin'ny andro hafa azo ilomanosana kosa, ireto avy ny fady hanina na entina ho an'ireo te hilalao ranomasina : kisoa, akoho, voanjo, tongolo (izay karazana tongolo rehetra), sakamalaho. Ampahatsiahivina fa tsy tokony hilomano ny vehivavy tonga fotoana. Tsy tokony hamelatra elo ihany koa eny an-toerana.

Horohoro

Marobe ireo ray aman-dreny mihorohoro fatratra noho ity tranga ity. Misy mihitsy ireo nahavita naneho hevitra tany amin’ny tambazotra sosialy fa tsy handefa ny zanany hanao “voyage d’étude” na “sortie” isan-karazany na hanery aza ny sekoly.
Tsy azo lavina fa ilain’ny mpianatra, hatreny amin’ny Ambaratonga Ambony, ny dia fibeazana. Mila manamafy fepetra nefa ireo sekoly, ary mila mitandrina avokoa ireo mpianatra entina. Azo atao tsara ohatra ny mampianatra ny fomba filomanosana raha tojo “courant d’arrachement” toa misintona raha hilalao ranomasina, indrindra amin'ny ranomasina misy "vavarano" (mifandray amin'ny ranomamy) toa ny eny Antsanitia. Tsy azao atao ambanin-javatra ihany koa ny famantarana ireo toromarika tsara ho fantatra, dia ny fadifady rehetra amin'ilay toerana aleha. Na izany aza nefa, tsy mampilaza ny loza.

Lire la suite

Articles Similaires