• Cours de change
  • 5048.02 AR
  • |
  • $4498.02 AR
Copyright Image : © Vaomieran'Ny Eveka Ho An'Ny Fifandraisan'Ny Mpiara-Belona
Image
Vaovao

Fandevenana ny Papa François : Efa tonga any Vatican ireo solontena Malagasy

25/04/2025 05:56 © Moov

Nigadona tao Vatican ny takarivan'ny omaly 24 aprily ireo solontena Malagasy hanatrika ny fandevenana ny Papa Ray Masina François.

Ny Mgr Desiré Tsarahazana, arsevekan'i Toamasina sady kardinalin'i Madagasikara, sy ny Mgr Fabien Raharilamboniaina, lehiben'ny fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, no misolo tena ny fiangonana katolika Malagasy amin'ny fanaovam-beloma farany ny Papa Fransoa. Efa nijery ny nofomangatsiakan'ny Papa izy ireo, tao amin'ny Basilique Saint-Pierre.

Fandaharam-potoan'ny Fandevenana ny Papa François

Androany zoma 25 Aprily no azon'ny rehetra jerena farany ny vatana mangatsiakan'ny Papa François. Ho an'ny rahampitso Sabotsy 26 aprily, androm-pandevenana, efa hikatona ary tsy vohaina intsony ny vatam-paty misy ny nofony.
Amin'ny 10 ora maraina (oran'i Vatican) no voatondro hanombohan'ny lamesa ho an'ny fialan-tsasatry ny fanahin'ny Papa François. Eo ivelan'ny Basilique Saint-Pierre izany no ho tanterahina. Aorian'izany dia ho entina eny amin'ny Basilique Marie Majeure ny nofomangatsiakany, toerana izay efa nosafidiany fahavelony handevenana azy.
Aorian'ny Eokaristia Masina no ambara fa manomboka ny fisaonan'ny Eglizy Katolika manerantany, izay maharitra 9 andro.

Fandaharam-potoan'ny Fifidianana Papa vaovao

Amin'ny 4 may ho avy izao no hifarana ny "Novemdiales", dia ilay 9 andro fisaonana. Rehefa vita izany, azo irosoana amin'izay ny "Conclave". Fotoan-dehibe hisafidianana izay ho Papa Ray Masina vaovao io, ka mihidy ao amin'ny Chapelle Sixtine ireo Kardinaly latsaky ny 80 taona. Miisa 135 izy ireo no handray anjara amin'io Conclave manaraka io, ka anisan'izany ny Kardinaly Malagasy Mgr Desiré Tsarahazana.
Marihana fa sady "kandida" no "mpifidy" ireo Kardinaly ireo, ary samy manao lahateny tsirairay. Izay anarana voatonon'ireo mpifidy roa am-pahatelony no lasa Papa vaovao. Izany no mahatonga ireo anarana maromaro malaza, hoe mety hatanjaka kokoa, amin'ny fifidianana Papa. Tsy ferana nefa ny mety hahalany Papa izay tsy dia misy mahafantatra firy.
Misafidy izay anarana ho entiny moa ny Papa vaovao rehefa lany. Tsy ny anarany intsony izany no entiny. Ireo Papa teo aloha izao dia nisafidy ny anarana hoe "Jean-Paul", "Benoît", "François", sns.
Ny Kardinaly Dominique Mamberti, teratany frantsay, 73 taona, no hisahana ny andraikitra goavana hanonona an'ilay fehezanteny hoe "Habemus Papam" eo amin'ny lavarangan'ny Bazilikan'i Masindahy Piera. Izy izany no hanao filazana amin'ny vahoakan'Andriamanitra sy izao tontolo izao io fa nahazo Papa vaovao ny Fiangonana.

Lire la suite

Articles Similaires