• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Meah
Image
Vaovao

Rano fisotro madio : Manomboka ny fanavaozana ny tobim-pamokarana rano eny Mandroseza

18/04/2025 18:57 © Moov

18 Aprily 2025. Notanterahina androany tao Mandroseza ny fametrahana vato fototra amin’ny tetikasa fanavaozana ny tobim-pamokarana rano fisotro madio.

Mifarana androany 18 aprily ny fankalazana ny "Herinandro Nasionalin'ny Rano". Nanomboka ny 16 aprily no efa nanatanterahana hetsika fampirantiana sy fifanakalozan-kevitra, teny amin'ny Kianja Barea Mahamasina.

Famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina

Tsy azo lavina fa mbola misedra olana amin'ny fisitrahana rano fisotro madio ny eto Antananarivo sy ny manodidina. Tsy vitsy ireo voatery matsaka rano eny amin'ireo paompy na sinibe iombonana na efa nahatafiditra rano aza. Efa voalazan'ireo tompon'andraikitra moa fa ny fahanteran'ireo fotodrafitr'asa no anisan'ny mahatonga ny olan'ny famatsian-drano.
Nambara ofisialy àry fa ho soloina sy havaozina tanteraka ny fitaovana ao Mandroseza I sy II. Hiakatra ho 120.000 m³/isanandro ny famokarana, ary hanampy 20.000 m³/andro ny Unité Compacte vaovao. Nandritra ny lanonana dia nisy ihany koa ny fanolorana ny groupes électrogènes de secours miisa 25 hiatrehana ny olan’ny fahatapahan-jiro izay mety hanelingelina ny famokarana rano. Hametrahana groupe de secours araka izany eny amin’ireo station de pompage rehetra toa ny eny amin’ny Faralaza, Ambodimita, Iavoloha, Ankadivoribe, Bemasoandro, Andranoro, Ivato, Laniera, Ankadindratombo, hisorohana ny fahatapahan-drano.

Fanafoanana ny fahatapahan-drano

Aorian’ny fanavaozana dia hahatratra hatramin’ny 120.000m3 isan’andro ny famokaran-drano ho azo raha toa ka 80.000m3 izany teo aloha. Hihena ary ho foana amin’ny ampahany betsaka noho izany ny olana amin’ny resaka rano eto Antananarivo renivohitra hoy ny filoha. Mbola maro kosa anefa ny fanarenana tokony hatao toy ny fanoloana ny fantsona manontolo mitondra ny rano eto Antananarivo renivohita ary ny fanovana ny station de suppression telo lehibe ao Betongolo, Ambodimita ary Mandriambero.

Tanjona amin’ity tetikasa ity ny hanome rano fisotro madio ho an’ny mponina, hiaro ny fahasalamam-bahoaka ary hanamafy ny fototra iankinan’ny fampandrosoana eto an-drenivohitra, araka ny nambaran'ny avy eo anivon'ny ministeran'ny rano.

Lire la suite

Articles Similaires