• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Enfant.Com
Image
Reny&Zaza

Reny mampinono : ireo antony matetika mampanaintaina ny nono

10/11/2024 16:22 © Moov.Mg

Rehefa mampinono zaza ny reny dia mety mahatsapa fanaintainana na olana samihafa mandritra izany. Ho resahana eto ary ny santionany amin’ireo antony mampanaintainana ny nonon-dreny mampinono sy ireo vahaolana amin’izany.

Lohanono vakivaky

Isan’ny antony matetika mankarary ny nonon-dreny mampinono, indrindra ny tera-bao, ny fahavakisan’ny lohanono. Raha tsy mety mitony izany fanaitainana izany na lasa mivaramena na vakivaky dia tokony ovaina ny paozy fampinonoana ny zaza. Mba hanafaingana ny fahasitranan’ilay lohanono dia atete kely eo amin’ilay lohanono marary ny rononon-dreny rehefa avy mampinono. Raha toa kosa ka tsy mety sitrana mandritra ny andro maromaro dia mila manantona mpitsabo. Mba hisorohana ny nono vakivaky dia sasana tsara amin’ny « coton » sy « glycérine » ary rano matimaty ny lohanono manomboka ny telo volana faharoa ny vohoka.

Ny « engorgement du sein »

Ny « engorgement du sein » dia ny fahafenoan’ny rononon-dreny be loatra anatin’ny nono ka mampizihitra azy. Matetika dia rehefa ilay vao avy niteraka iny ilay reny no mitranga satria miakatra be ny ronon-dreny vokarin’ny vatany nefa mety mbola tsy afaka minono firy ilay zaza vao teraka. Mety mahatonga izany ihany koa ny hoe tsy minono be toy ny mahazatra ilay zaza ka lasa be loatra ny rononon-dreny vokarin’ny vatan’ny mpampinono. Raha manao « engorgement du sein » ilay nono dia lasa mavesatra, mizihitra ary mety manaintaina. Mba ampitoniana ilay nono dia petahana « glace » eo amin’ny vatanono eo anelanelan’ny fotoana fampinonoana ny zaza. Azo atao ihany koa ny misintona ilay nono amin’ny « tire-lait » fa tsy atao matetika loatra kosa nefa. Mety mampanavy moa izy ka tsara foana ny manantona ny mpitsabo na ny rasazy raha tsy mety mitony ilay fanaintainana.

« Canal lactifère » tsentsina

Raha toa ka mijanona feno be ela loatra ny nonon-dreny na koa hoe voapotsitra (ohatra hoe tery be ny tatinono), dia mety hisy fantsona (canal lactifère) tsentsina ao anatiny. Raha izany no mitranga dia mety mitarika fanaintainana na koa mampisy fivontosana eo amin’ilay nono. Mba hamoahana ilay fantsona tsentsina ao amin’ny nono dia mila mampinono matetika kokoa ilay reny ary atodika any amin’ilay mivonto kely ny saoka na ny oron’ilay zaza rehefa minono. Ankoatra izay dia petahana zavatra mafana eo amin’ny nono alohan’ny hampinonoana. Mampitony ilay fanaintainana ary manampy amin’ny fampihenana ilay mivonto ny fanorana moramora ilay nono rehefa mampinono. Raha tsy mety afaka anatin’ny andro vitsy ilay mivonto dia mila manantona mpitsabo.

Lire la suite

Articles Similaires