• Cours de change
  • 5167.08 AR
  • |
  • $4493.57 AR
Copyright Image : © Migraine.Fr
Image
Reny&Zaza

Bevohoka : torohevitra manampy hampitoniana ny « migraine »

29/10/2025 15:23 © Moov.Mg

Isan’ireo fanaintainana mety mitranga mandritra ny fitondrana vohoka ny « migraine », izay aretin’andoha mety tena mampijaly tokoa rehefa mihetsika. Mety faritra iray ao amin’ny loha na manerana ny loha no manaintaina, ary miseho tampoka sy miverimberina izany. Araho eto ireo antony mety mampihetsika ny « migraine » eo amin’ny bevohoka sy ireo torohevitra manampy mba hampisinda izany.

Inona no mampihetsika ny « migraine » mandritra ny fitondrana vohoka ?

Maro ireo anton-javatra mety mampihetsika ny « migraine ». Eo amin’ny bevohoka moa dia misy antony lehibe roa mahatonga izany. Ny voalohany dia ny « migraine » tsotra vokatry ny tsy fahampiana torimaso. Mandritra ny telo volana faran’ny vohoka dia manomboka mikorontana ny torimason’ny bevohoka. Rehefa ratsy torimaso dia lasa marary andoha ary mety hihombo ho lasa « migraine » mihintsy moa izany. Na dia tsy dia tokony hampanahy loatra aza ity antony voalohany ity dia ilaina ihany ny fandraisana an-tanana izany.
Ny antony faharoa mety mampihetsika ny « migraine » eo amin’ny bevohoka dia ny fiakaran’ny tosidrà. Izany hoe lasa avo loatra ny tosiky ny rà ao amin’ny lalandràn’ny bevohoka. Marihana nefa fa ny tosidrà avo dia mety ho fambaran’ny « pré-éclampsie » izay aretina vokatry ny tsy fahatomombanana eo amin’ny fiasan’ny ahitry ny bevohoka. Izany moa dia miteraka famokarana « substances » tsy ara-dalàna izay mahatonga fikainkonan’ny lalandrà, toy ireo lalandrà ao amin’ny atidoha ka lasa mampisy aretin’andoha sy « migraine ». Mila fanaraha-maso akaiky ity anton-javatra iray ity mba hitandrovana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.

Ahoana no atao hampisinda ny « migraine » eo amin’ny bevohoka ?

Raha avy amin’ny faharatsian’ny torimaso na tsy fahampian-torimaso no mahatonga ny « migraine » dia manampy hampisinda izany ny fiezahana matory tsara. Ny fanamboarana ny fomba fiaina moa no isany hahafahana manatsara ny kalitaon’ny torimaso : miezaka mihetsiketsika mandritra ny tontolo andro (mandeha tongotra, manao raharaha maivamaivana), sakafo maivamaina no hoanina rehefa hariva, tsy misotro rano be intsony rehefa adiny 1 ora alohan’ny hatory… Raha tsy mety misinda ny aretin’andoha dia tsara ny manantona mpitsabo.
Raha toa ka tsy avy amin’ny tsy fahampian-tory no mahatonga ny « migraine » dia tsara hatrany ny manantona mpitsabo. Mila fandraisana an-tanana sy fanaraha-maso manokana ny aretin’andoha vokatry ny fiakaran’ny tosidrà eo amin’ny bevohoka.

Lire la suite

Articles Similaires