Bevohoka : Ireo fambara tokony hanantonana tobim-pahasalamana farak'izay haingana
Aina roa no tandrovina rehefa mitondra vohoka ny vehivavy. Amporisihina tokoa ny fitoniana, mba tsy hananana olana firy amin'ny fahasalamana. Misy kosa nefa ireo tranga na fambara tsy azo amaivanina.
Mandeha rà
Raha misy rà mandeha, na dia kely aza, dia tsara raha manantona tobim-pahasalamana avy hatrany. Tsy mitovy mantsy ny anton'ny fandehanan'ny rà ho an'ny vehivavy tsirairay, ka mila fantarin'ny mpitsabo ny antony, ho fisorohana ny loza.
Raha mbola vao mipetraka ny zaza, mety hisy rà kely mandeha, antsoina hoe "saignement d'implantation". Mety hampandeha ny rà ihany koa nefa ny fiovaovan'ny tsirimpanentana na ny karazana "infection". Ny mateti-pitranga moa dia fambara zaza an-tsosokoditra (Grossesse extra-utérine) na fanambanan'ny fahafahan-jaza ny rà mivoaka amin'ny vehivavy bevohoka.
Sempotra
Tsy vitsy ireo vehivavy mora sempotra, indrindra rehefa manomboka miha-lehibe ny kibo. Raha toa nefa ka mampalemy sady miverimberina ny fahasemporana, tena ilaina ny fanarahana fitsaboana. Mety hiantraika amin'ny fitomboana sy ny fiainan'ny zaza ao an-kibo mantsy ilay tsy fahatombanan'ny reny.
Amin'ny ankapobeny, feran'ny mpitsabo ny fitomboan'ny reny rehefa bevohoka, indrindra raha mora sempotra. Misy tokoa mantsy ireo vehivavy mora mahazo lanja. Marobe ireo "gynécologue" manolotra "régime" manokana ho an'ny vehivavy bevohoka tsirairay, mba ho ara-dalàna tsara ny lanja, na ho an'ny reny na ho an'ny zaza.
Fanina
Ilàna fizahana manokana ihany koa ny vehivavy bevohoka raha fanina matetika. Misy tokoa ireo reny voatery mandao ny asa aman-draharaha, satria toa mihena be ny hery sady marisarisa amin'ny andavanandro. Ny fizahana tanterahin'ny mpitsabo no hahafahan'ilay reny mitondra vohoka misitraka fanafody mety hampatanjaka, na ihany koa mety hamaritana ny amin'ny tsy fahafahana mihetsika eo am-pandriana (grossesse alitée), ho fiarovana ny ain'ny reny sy ny zaza.
Mianjera
Saropady ny vehivavy bevohoka. Raha misy fianjerana, amporisihina ny fanantonana dokotera, na tsy misy fambara mampiahiahy aza. Raha mafy loatra mantsy ny dona, mety hisy fiantraikany amin'ny zaza ao an-kibo, na tsy hita eo no ho eo aza.


