• Cours de change
  • 5171.37 AR
  • |
  • $4494.27 AR
Copyright Image : © May
Image
Reny&Zaza

Zazakely misakafo tsara nefa tsy mitombo : inona no atao ?

14/10/2025 13:48 © Moov.Mg

Isan’ireo zavatra mampiferotr’aina ny ray aman-dreny ny mikasika ny lanjan’ny zazakely manomboka izy vao teraka. Misakafo tsara ve izy ? Mitombo ara-dalàna ? Lanjaina isam-bolana any amin’ny « pédiatre » ny zaza mba hanarahana ny fitombony. Raha ny tokony ho izy dia mila tsy miovaova sy tapaka ny fahazoan’ny zaza lanja. Tokony ho mailo arak’izany raha toa ka tsy mitombo araka ny tokony izy ny zazakely, indrindra raha mahasakafo tsara izy. Araho eto ireo tsara fantatra.

Zazakely pitsana : oviana no tokony hanahy mikasika ny lanjany ?

Amin’ny ankapobeny dia tokony mitombo 25g isan’andro ny lanjan’ny zaza, manomboka izy vao teraka hatramin’ny faha 3 volany. Mety somary hihena kely izy mandritra ny fotoana vitsy aorian’ny fahaterahana.
Aorian’izay nefa dia tokony tsy miovaova ny fitomboan’ny zaza ary efa misy moa ny « courbe de croissance » ahafahan’ny « pédiatre » manara-maso izany. Raha misy fahatapahana ny fitombon’ny lanjan’ny zaza na koa hoe hita fa tsy mitombo izy, dia eo no tokony ho mailo ny ray aman-dreny. Mila entina mijery mpitsabo ny zaza hahitana ny anton’izany.
Maro ireo antony mety mahatonga tsy fahampiana fitomboana lanja eo amin’ny zazakely ary miovaova arakaraky ny taonany (âge) izany. Mety izany ho avy amin’ny antony ara-tsaina, ara-batana na koa avy amin’ny « maladie génétique ».

Zazakely minono : ahoana ny atao hampitombo lanja ara-dalàna azy ?

Eo amin’ny zaza vao teraka hatramin’ny faha 1 volany dia mety ho avy amin’ny fampinonoan-dreny no tsy mampitombo tsara azy. Rehefa mizotra tsara ny fampinonoan-dreny dia ara-dalàna ny fitombon’ny zaza. Indraindray nefa mety tsy ampy ny rononon-dreny na tsy mahazo nono tsara ny zaza dia tsy mahazo lanja ara-dalàna. Raha izany no mitranga dia mety mila homena solon-dronono ny zaza na sintomina ny rononon-dreny ary io no fahanana ny zazakely.

Zaza misakafo tsara nefa tsy mety mitombo : mety ho avy amin’ny sakafony

Rehefa manomboka misakafo ny zaza, izany hoe manomboka ny faha enim-bolany, dia tokony mahazo lanja eo ho eo amin’ny 200g-500g isam-bolana eo izy hatramin’ny faha 11 volany. Raha misakafo tsara na hoe misakafo be ny zaza nefa tsy mitombo ara-dalàna dia mety ho avy amin’ny sakafo hoaniny no mahatonga izany. Mila mihinana sakafo be otrikaina sy mineraly ny zaza mba hitombo tsara. Tsy ampy ny legioma sy voankazo, fa mila mihinana ronono na vokatra avy amin’ny ronono, hena, trondro… mba hahazo ny fatrana « protéines » ilainy ny vatany.

Inona no fanaraha-maso tokony atao ?

Raha tsy mitombo na mahazo lanja ara-dalàna ny zaza dia mila fantarina ny antony mety mahatonga izany. Mazava ho azy fa ny fanantonana mpitsabo no hahafana mamantatra sy mandray an-tanana izany. Eo amin’ny zaza menavava dia ny lanja no tsy mitombo voalohany, avy eo ny habe ary farany ny karan-doha. Ireo no tena mila arahi-maso. Noho io antony io no mila hitondrana ny zaza any amin’ny « pédiatre » isam-bolana ahafahana manara-maso ny fitombony sy ny fahasalamany.

Lire la suite

Articles Similaires