Rarintsaina eo amin’ny bevohoka : inona no mety fiantraikany eo amin’ny zaza ?
Toe-javatra tsy maintsy misy eo amin’ny fiainana ny adin-tsaina sy ny rarintsaina. Raha lasa mafy loatra na lasa maharitra izy io mandritra ny fitondrana vohoka dia mety hisy fiantraikany eo amin’ny fitomboan’ny zaza ao an-kibo. ‘Ndeha ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika izany.
Inona no mitranga rehefa tratry ny rarintsaina maharitra ny bevohoka ?
Rehefa tratry ny rarintsaina maharitra ny bevohoka dia mamokatra « hormones du stress » betsaka kokoa, toy ny « cortisol », ny vatany. Ireo hormonina ireo dia mety tafihaotra ny ahitra ary tonga any amin’ny zaza ao an-kibo. Izany moa dia mety hisy hanembatsembana ny tontolony ao anaty tranon-jaza.
Misy lanjany be ihany koa ny fotoana hisian’ny rarintsaina mandritra ny fitondrana vohoka. Anisan’izany ohatra ny fotoana eo amin’ny fivoaran’ny atidohan’ny zaza, manodidina ny 10SA sy ny fotoana hitomboan’ny « connexions neuronales » eo amin’ny faha 24SA sy 30 SA eo. Ireo fotoana ireo no isany tena saropady amin’ny fitomboan’ny zaza ao an-kibo.
Ireo mety ho fiantraikan’ny rarintsaina eo amin’ny bevohoka eo amin’ny zaza
Ny rarintsaina eo amin’ny bevohoka dia mety hisy fiantraikany maro eo amin’ny fahasalamana ara-batan’ny zaza sy ny fizotry ny vohoka :
-Fahaterahana tsy tonga volana ;
-Tsy fahampiana lanja eo amin’ny zaza vao teraka ;
-Fahatarana eo amin’ny fitomboana ara-batan’ny zaza ;
-Ambony ny « risques » hahavoan’ny sohika ny zaza.
-Tsy fahatomombanana eo amin’ny fitombon’ny atidoha ;
-Ambony ny « risques » hampisy « troubles mentaux », « troubles du spectre autistiques », fahaketrahana eo amin’ny ankizy.