• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Astuces De Filles
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fanalavana volo : ireo fomba mora atao sady mahomby

16/03/2023 09:50 © Moov.Mg

Mitombo eo amin’ny 0,6 hatramin’ny 1,3 sm isam-bolana eo ho eo ny volo amin’ny ankapobeny. Mety ho ela tokoa izany ny volonao vao ho lava raha avela haniry tsotra eo fotsiny. Ireto ary misy fomba fanalavana volo natoraly sady tsotra azo atao raha tianao haniry haingana ny volonao.

Fanalavana volo haingana sy mandaitra : ravina goavy sy sakamalaho

Fomba iray fanalavana volo tena mahomby ny fanasana ny volo amin’ny ravina goavy sy sakamalaho. Mitahiry singa maro manalava sy mahasalama volo tokoa mantsy ireo akora natoraly ireo. Tsotra ny fikarakarana azy. Atao anaty rano 1 litatra ny ravina goavy 10 sy ny sakamalaho singany iray voakiky. Ampangotrahana ireo fangaro ireo ary avela hangatsiaka izay vao ampiasaina. Tsihifina ilay rano avy nampangatsiahana avy eo ampiasaina handemana ny volo rehetra sy ny odidoha. Fihazana ny volo ary avela hilona manditra ny 30 min na 1h alohan’ny anasana ny loha. Averina indray mandeha isan-kerinandro mba ahazoana vokatra haingana.

Tongolo oignon : fanalavana volo natoraly

Anisan’ny akora fanalavana volo efa re matetika ny tongolobe. Manankarena soufre, vitamines ary oligo-éléments ilaina amin’ny fahasalamana sy ny fanirian’ny volo ny tongolo oignon. Afaka ampiasaina tsara izy noho izany raha te hanalava volo haingana. Tetehina madinika na potehina tsara ny tongolo lehibe sy mena tsara iray. Afangaro amin’ny fatrana shampoing ampasaina rehefa manasa volo ary avela hilona roa andro ao anaty boity misarona. Io fangaro nalona io no hanasana ny volo. Avela hipetraka kely mandritra ny 15 minitra vao kobanina. Averina in-dray isan-kerinandro mandritra ny iray volana mba hahazoana vokatra. Sady mihalava vetivety ny volo no mangirana.

Menaka kinana, manalava sy manamandina ny volo

Ny menaka kinana na huile de ricin dia anisan’ny akora betsaka mpampiasa amin’ny fanalavana volo. Mitahiry singa maro manome sakafo, mahasalama, mampaniry sy manamandina ny volo ity menaka zava-maniry ity. Marihina fa tena madity izy io ary sarotra ny manositra azy amin’ny volo. Noho izany, mila afangaro amin’ny menaka zava-maniry hafa, toy ny huile d’olive na ny huile de coco mba hahamora ny fampiasana azy. Ahositra eo amin’ny volo maina ilay menaka ary somary orina moramora ny hodi-doha. Avela hilona mandritra ny 30 minitra vao sasana ny volo. Atao in-dray mandeha isan-kerinandro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo