• Cours de change
  • 5037.61 AR
  • |
  • $4431.96 AR
Copyright Image : © Passeportsanté
Image
Fahasalamana&Sakafo

Te hampihena tena : torohevitra manampy hampahomby ny « régime » atao

05/05/2025 11:56 © Moov.Mg

Anisan’ny fomba atao hampihenana vatana ny fanamboarana ny fomba fisakafoanana na ny ataontsika hoe manao « régime ». Maro ireo nahita vokatra tsara tamin’izany nefa avy eo niverina nitombo indray. Misy moa ireo tsy nety nihena mihintsy nandritra ny fotoana nanaovana azy. Araho eto ary ireo torohevitra hampahomby ny « régime » hampihenana tena.

Homanina tsara saina rehefa hanao « régime » hampihenana tena

Mila fiomanana ara-tsaina sy ara-batana ny fanaovana « régime » mampihena tena. Miainga amin’ny fandanjalanjana ny sakafo hoanina izy io amin’ny ankapobeny. Noho izany dia mila mivonona tsara ny saina hitandrina ny karazana sakafo hoanina, ny famerana ny fatra sy ny hatetiky ny fotoana hinanana zavatra. Tsy mora ny manova ny fomba fisakafoanana sy maharitra amin’izany ka izay indrindra no ilaina ny manomana tsara ny saina alohan’ny hanombohana ny « régime ».

« Régime » mora tanterahana sy tsy mifady sakafo be loatra ny atao

Misy karazany maro ny « régimes » fampihenana tena. Ao ireo mifady karazana sakafo maro ary ao kosa ireo afaka mihinana ny sakafo rehetra fa ny fatra na ny fotoana fisakafoanana no mila ferana. Mahomby kokoa ireto karazana « régimes » roa farany ireto raha oharina amin’ilay mifady karazana sakafo maro. Somary mampijaly tena sy saina kokoa mantsy ity farany ka lasa mora tsy maharitra amin’ny fanajana sy ny fanohizana azy. Ny « régimes » miompana amin’ny famerana ny fatra sy ny fotoana fisakafoanana dia mora ampiharina kokoa ary afaka atao lasa fomba fiaina mihintsy.

Alamina mialoha ny sakafo mandritra ny herinandro

Rehefa fantatra mazava ny karazana « régime » fampihenana tena ho atao dia tsara raha alamina mialoha ny sakafo hoanina mandritra ny herinandro. Izany hoe fantarina daholo aloha ireo karazana sakafo mila hoanina sy ireo mila ferana. Avy eo manao lisitry ny sakafo maraina, atoandro ary hariva hoanina mandritra ny herinandro. Izany dia mba ahafahana manaja amin’ny an-tsipiriany ilay « régime » sy hampandaitra izany. Misoroka amin’ny fakam-panahy hihinana sakafo tsy tokony hoanina na amin’ny fandehanana trano fisakafoanana ihany koa ny fanaovana izany.

Lire la suite

Articles Similaires