• Cours de change
  • 5021.37 AR
  • |
  • $4443.27 AR
Copyright Image : © Neozone
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : Kalsioma natoraly vita amin'ny kafe

10/05/2025 08:08 © Moov

Marobe ireo tsy mahazaka Kalsioma azo avy amin'ny fangaro simika, izany hoe ireny "comprimé" na "sirop" amidy eny amin'ny Farmasia ireny, noho ny antony samihafa.

Hoho mora silaka, hoditra maina, nify marary nefa tsy misy goaka, "crampes" matetitetika : anisan'ny fambaran'ny tsy fahampiana kalsioma izany.

Kalsioma natoraly

Raha mahatsapa fa tsy ampy kalsioma, azo atao tsara ny mihinana fangaro mahasoa. Zavatra telo ihany no ilaina amin'izany : Kafe mainty iray kaopy, atody gasy iray ary tantely iray sotro. Afangaro fotsiny ny kafe, ny tantely sy ny tamenak'atody. Sotroina isan'andro io kalsioma natoraly io mandritra ny 3 hatramin'ny 5 andro. Tsara raha kafe nototoina tanana tsy misy fangaro hafa no ampiasaina. Tsy dia azo antoka firy mantsy irony kafe efa amin'ny fonosana amidy eny an-tsena irony, satria matetika dia efa mifangaro katsaka na fangaro hafa.

Sakafo be kalsioma

Marobe ireo sakafo ahitana kalsioma, ka tokony tsy adino ny fihinanana azy na dia indray mandeha isan-kerinandro aza. Ireto avy ohatra ireo legioma be kalsioma : épinard, brocoli, laisoa, anandrano, sns. Be kalsioma ihany koa ny voasary, ny voaloboka maina sy ireo "fruits à la coque" toy ny Amande. Tsy azo adinoina fa mitondra kalsioma ho an'ny vatana ny soja sy ireo karazam-bokatra avy amin'ny ronono.
Na ilaina aza nefa ny kalsioma, tsy mahasoa ny fihinanana azy tafahoatra loatra. Sahirana mantsy ny voa mandevona izany singa izany, ka mety ho lasa vato avy eo, indrindra ho an'ireo tsy mazoto misotro rano. Tsy tokony hanina isan'andro ohatra ny "produits laitiers" ary kelikely ihany no hanina rehefa mihinana : yaourt 1 na fromazy tsy mihoatra ny 100 grama ohatra.

Lire la suite

Articles Similaires