• Cours de change
  • 5031.87 AR
  • |
  • $4436.45 AR
Copyright Image : © Futura Sciences
Image
Fahasalamana&Sakafo

Aretina sohika na « asthme » : ireo antony mety mahatonga azy

06/05/2025 11:55 © Moov.Mg

Marihana anio 06 mey ny andro iraisam-pirenena ho an’ny sohika ny amin’ity taona 2025 ity. Areti-mitaiza mahavoa ny taovam-pisefoana ny sohika na « asthme ». Miseho amin’ny « inflammation » sy fahateren’ny « voies aériennes » ka mahatonga soritr’aretina toy ny kohoka, sempotsempotra, fahatsapana tery ao amin’ny tratra… izy io. Mba hisorohana ny sohika dia tsara ny mahafantatra ireo anton-javatra mety mahatonga azy.

Ny fototarazo : mety ho manaranaka ny sohika

Ny fototarazo na « génétique » no isan’ireo antony lehibe mety mahatonga ny sohika eo amin’ny olona iray. Raha misy tratry ny sohika ny ray aman-dreny na ny iray tampoho dia ambony kokoa ny « risques » hahazoana ity aretina ity. Na dia mbola tsy fantatra mazava àry ny fototarazo manokana mitarika ny sohika dia tsikaritra fa ireo fototarazo mampihena ny hery fiarovana sy maha mora andairan’ny « inflammation » ny taovam-pisefoana dia mifandray amin’ny « prédisposition à l’asthme ».

Ny fiantraikan’ny tontolo manodidina

Mitana anjara lehibe eo amin’ny mety hahavoa ny sohika sy hampihombo izany ny tontolo manodidina. Maro ireo lafin-javatra maro mety mankarary ny taovam-pisefoana hita eny amin’ny tontolo eny, toy ny :
-« Allergènes » ao an-trano. Isan’ireo mitarika sohika tokoa ireo karazana « allergènes » fahita ao an-trano, toy ny « acariens » izay mipetraka eny amin’ny fandriana, ondana, « tapis »… Eo ihany koa ireo « squames » avy amin’ny biby fiompy, toy ny volo, rora sy pipy. Ny hamandoana izay mahatonga bobongolo ihany koa dia mety mitarika sy mampihetsika ny sohika.
-« Allergènes » eny ivelany. Anisan’izany ireo « pollens » avy amin’ny hazo, ny « graminées » sy ny « herbacées » izay tena mampihetsika ny sohika rehefa vaninandro mampiparitaka azy ireny. Misy ihany koa etsy andaniny ny kalitaon’ny rivotra hiainana. Ny « pollution atmosphérique », toy ireo avy amin’ny fiara, indostria sy ny doro-tanety dia mety hankarary ny taovam-pisefoana ary hitarika sohika, indrindra eo amin’ny ankizy.
-« Irritants ». Ankoatra ireo « allergènes » voalaza ireo dia misy ihany koa ireo atao hoe « irritants non allergéniques » mety mahatonga ny soritr’aretin’ny sohika. Tafiditra ao anatin’izany ohatra ny setro-tsigara (na mifoaka na tsia), ny akora simika toy ny ranomanitra sy ny loko, ny toetr’andro mangatsiaka sy maina.
-Aretin’ny taovam-pisefoana miseho aloha be. Izany hoe ireo « infections des voies respiratoires basses » miseho mandritra ny fahazazana, toy ny « bronchiolite », dia mampitombo ny « risques » hahavoa ny sohika rehefa any aoriana, indrindra raha miverimberina matetika na tsy voatsabo tsara izy ireny.

Fanamarihana

Amin’ny ankapobeny dia fitambaran’ny anton-javatra maro no mahatonga ny sohika eo amin’ny olona iray. Matetika izy io dia fitambaran’ny « prédisposition génétique » sy ny fifampikasohana amin’ireo lafin-javatra maro eo amin’ny tontolo manodidina izay mety mahatonga ilay aretina. Tsy azo atao tsirambina ny aretina sohika fa mila fandraisana an-tanana sahaza azy mba hisorohana ny mety ho fahasartana ara-pahasalamana izay mety mitarika hatramin’ny fahafatesana.

Lire la suite

Articles Similaires