Fomba tsotra fanaovana « sauce aigre douce » ao an-trano
Anisan’ireo « sauces » mampatsiro karazana nahandro maro ny « sauce aigre douce ». Arak’izany anarany izany dia manana tsiro somary mamy sy marikivikivy izy ity. Azo hanatsarana ny tsiron’ny hena, akoho sy nahandro maro samihafa izy io. Azo ampiarahana amin’ny tsakitsaky maro, toy ny « rouleau de printemps », nem… ihany koa. Araho eto ary ny fomba tsotra fanaovana azy.
Ireo akora ilaina raha hanao « sauce aigre douce »
-Vinaigitra 1/3 ny kaopy ;
-Siramamy 1 kaopy ;
-Ketchup ¼ ny kaopy ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Sauce soja ¼ ny kaopy ;
-Maïzena 1 sotro fihinanana nafangaro rano 2 sotro fihinanana.
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
Arotsaka anaty vilany kely ny siramamy, vinaigitra, sauce soja, ny sira sy dipoavatra ary ny ketchup. Ataingina ambony afo malefaka ary avela hangotraka.
Rehefa mangotraka dia alefa ao ilay maïzena efa nasiana rano 2 sotro fihinanana. Aroharoana tsy mitsahatra mandrapaharihitra ilay sauce.
Ampidinina atao malefaka kokoa ny afo ary avela hiketrika kely mandritra ny minitra vitsy sady aroharoana ihany.
Fanamarihana
Marihana fa misy karazany maro ny fomba fanamboarana « sauce aigre douce ». Noho izany dia afaka mampiasa akora maro hafa, miankina amin’ny hitiavana azy. Raha ity « recette » natero teto ity ohatra dia afaka asiana ranona mananasy kely hanomezana tsiro somary « fruité » ilay sauce.