• Cours de change
  • 4688.34 AR
  • |
  • $4422.6 AR
Copyright Image : © Améliore Ta Santé
Image
Fahasalamana&Sakafo

Volo tsy mivoaka na « poil incarné » : ireo fomba fanesorana azy

15/05/2023 17:16 © Moov.Mg

Toe-javatra matetika mitranga amin’ny olona manala na miaratra ny ireo volo misy amin’ny vatana ny volo tsy mivoaka na « poil incarné ». Sady marary no manaratsy ny paozin’ny hoditra ny fisian’izy ireny. Fa inona tokoa no atao hoe volo tsy mivoaka ? Ahoana ny fomba hanesorana azy ireny ary inona ny fisorohana azo atao ?

Inona no atao hoe volo tsy mivoaka na poil incarné

Arak’izany anarany izany, ny volo tsy mivoaka dia ireo volo maniry izay tsy mahavita mivoaka ivelan’ny mason-koditra. Rehefa tsy tafavoaka ivelan’ny hoditra ilay volo dia mitohy maniry ao ambany ka mitarika fivontosana kely eo amin’ny hoditra. Amin’ny ankapobeny moa dia tafavoaka ho azy ihany ireny volo tsy mivoaka ireny fa somary elaela. Tsy azo atao voadoana na esorina amin’ny « pince à épiler » ny volo tsy mivoaka fa lasa maratra ary miteraka nana eo amin’ny faritra misy azy. Ny faritra eo amin’ny helika, ny tongotra, ny tratran-dehilahy sy ny elakelam-pe moa matetika no ahitana volo tsy mivoaka amin’ireo olona zatra manala na miaratra ny volo amin’ireo faritra ireo.

Ireo fomba natoraly hanesorana ny volo tsy mivoaka

Manelingelina tokoa ny volo tsy mivoaka ary mety hanaintaina tokoa raha voadona matetika na esorina amin’ny pince à épiler. Mba tsy handratra ny hoditra sy ho mora hanesorana ny poil incarné dia tsara kokoa raha :

Lomana amin’ny eau oxygénée

Atsoboka anaty eau oxygénée notapohana rano kely ny coton dia apetaka eo amin’ilay faritra mivonto vokatr’ilay volo tsy mivoaka. Saromana sparadrap ary avela hilona ora maromaro. Azo ajanona mandritra ny alina tontolo ihany koa. Esorina ilay pansement rehefa maraina ary potserina moramora eo amin’ny manodidina ilay volo mba hialany. Diovina tsara ilay faritra rehefa vita.

Manao masque amin’ny tanimanga

Afangaro ny tanimanga sy rano kely mba ahazoana vokatra marihatra sy malefaka. Apetaka eo amin’ny faritra misy ilay volo tsy mivoaka ary avela hipetraka eo mandritra ny minitra vitsivitsy. Mihena tsikelikely ilay fivontosana ary hivoaka mora ilay volo. Kobanina tsara ilay tanimanga ary afaka sintomina amin’ny pince à épiler voadio tamin’ny alikaola ilay volo.

Atao gommage

Raha toa ka tsy mbola manaintaina sy maratra ilay faritra misy ilay volo tsy mivoaka dia tsara raha atao gommage. Kosehina moramora amin’ny vovon-tsiramamy na vovon-tsira ny faritra mba anesorana ireo hoditra maty. Mihamalefaka ny hoditra ka manamora ny fivoahan’ny volo.

Ireo fomba fisorohana ny volo tsy mivoaka

Mba hisorohana ny volo tsy mivoaka dia tsara raha karakaraina tsara ny hoditra alohan’ny anesorana ny volo, na atao épilation izany na haratana. Osorana vokatra manamandina sy mampalefaka toy ny huile d’amande douce na huile coco. Ho mora kokoa ho an’ny volo ny mivoaka rehefa maniry indray. Atao gommage matetika ihany koa ny hoditra mba hiala ireo hoditra maty manentsina ny mason-koditra manakana ny volo tsy hivoaka. Rehefa miaratra dia tsara raha atao manaraka ny fanirin’ny volo fanesorana azy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo