• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © Femme Actuelle
Image
Fahasalamana&Sakafo

Zaza misy kankana : tandremo fa mety hitarika fahasarotana ara-pahasalamana

10/05/2023 17:34 © Moov.Mg

Tsy mifidy vanin'andro ny « parasitose intestinale » eo amin’ny zaza sy ny ankizy, na ilay antsointsika hoe : misy kankana. Raha tsy voakarakara ara-dalàna ny zaza misy kankana dia mety hitarika fahasarotana ara-pahasalamana ilaina fandidiana ny « parasitose intestinale ». Ny fambara sy ny fitsaboana ny zaza misy kankana no ampahafantarina anao amin’ity lahatsoratra ity.

Inona no atao hoe « parasitose intestinale » na zaza misy kankana ?

Aretina iray azo avy amin’ny fisian’ny kankana ao anatin’ny tsinay ny « parasitose intestinale ». Misy karazany maro ireo kankana mahatonga io aretina io, toy ny ascaris, amibe, oxyure, ténia… Mety ho karazany iray amin’ireo kankana ireo no ao amin’ny zaza misy kankana, fa mety ho karazany maro ihany koa. Marihina fa mora mifindra parasitose intestinale, indrindra eo amin’ny zaza sy ny ankizy. Miankina amin’ilay kankana kosa anefa ny fifindran’ny aretina. Amin’ny ankapobeny dia mifindra amin’ny alalan’ny fidiran’ny loto ao am-bava izany. Izany hoe, sakafo na rano tsy ara-pahasalamana na voaloton’ny vovoka mitondra atodin’ilay kankana, tanana maloto, hena na trondro tsy masaka tsara…

Ahoana ny fomba ahafantarana zaza misy kankana ?

Tsy voatery hisy soritr’aretina hiseho eo amin’ny zaza misy kankana. Misy kosa anefa fambara vitsivitsy mety ahafantarana izany amin’ny alalan’ny fihetsika ataon’ny zaza. Lasa tsy mahatombina tsara sy maharitra eo ambony seza izy, mipelipelika tsy mahazo aina. Mitaraina ho marary na mangidihidy ao amin’ny fitombenany, taitra tampoka amin’ny alina fa marary ny kibo, mangidihidy manorisory eo amin’ny faritry ny sandry. Raha manao ireo fihetsika ireo ny zaza na ny ankizy ao anatin’ny andro mifanesy dia mila manontany tena ny ray aman-dreny sao misy kankana ny zanany. Raha efa betsaka loatra ny kankana ao amin’ny zaza dia mety hivoaka eo amin’ny orona, ny vava na ny maloto izany.

Ahoana ny fisorohana ny zaza misy kankana ?

Ny fitandrovana ny fahadiovana no fomba iray voalohany hisorohana ny parasitose intestinale na ny zaza misy kankana. Atao madio mandrakariva ny sakafo sy rano omena ny zaza sy ny ankizy. Mila manasa tanana tsara ihany koa isaky ny hisakafo na hinana zavatra. Masahana tsara ny hena sy ny trondro, indrindra ny henan-kisoa. Ankoatra izay dia ajaina tsara ny fotoana tokony hanomezana ody kankana ny zaza. Manomboka erin-taona ny ankizy kely dia omena fanafody kankana. Isaky ny telo volana ho an’ireo mbola kely ary isaky ny enim-bolana ho an’ireo ankizy efa lehibebe. Ny mpitsabo kosa anefa no manome ny ody kankana mety sy ny fatra sahaza ny ankizy tsirairay

Inona kosa ny fitsaboana atao ?

Raha toa ka mampiseho soritr’aretina mampiahiahy ny zaza misy kankana dia mila manantona mpitsabo ny ray aman-dreny. Misy fotoana tsy afaky ny ody kankana ireo kankana ao amin’ny zaza ka ilaina fanaovana fizahana manokana. Hita amin’ny alalan’ity farany ny karazana kankana ao amin’ilay zaza sy ny fitsaboana mifanaraka amin’izany. Mila mitandrina tsara ny ray aman-dreny satria mety miteraka fahasarotana ara-pahasalamana ny fitombon’ny kankana ao amin’ny zaza. Ilay karazana kankana antsoina hoe « ascaris » dia mety miteraka fahatsentsenan’ny tsinay ary mety mila fandidina ny fitsaboana izany. Anisan’izany ohatra ny fihinanana tongolo gasy, ny voana papay nahamainina na koa ny fisotroana jus voamadilo avy nampangotrahana tsy asiana siramamy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo