• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Daily Geek Show
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ankohonana salama : ireo fepetra mila tandremana hisorohana ny fanapoizinana ara-tsakafo

10/05/2023 09:14 © Moov.Mg

Toe-javatra fahita matetika ny fanapoizinana ara-tsakafo. Ny fidiran’ny bakteria ao amin’ny vatana amin’ny alalan’ny sakafo no mitarika izany. Ny tsy fahampian’ny fitandremana mahazana no mahatonga ny fanapoizinana ara-tsakafo ao an-trano. Ndeha ary ho resahina ireo fepetra mila tandremana mba hisorohana izany.

Atao madio tsara ny fitaovana an-dakozia hisorohana ny fanapoizinana ara-tsakafo

Ny fahadiovana no fomba iray voalohany hisorohana ny fiparitahan’ny baketria amin’ny sakafo karakaraina ao an-trano. Manomboka amin’ny fanasana tsara ireo fitaovana an-dakozia izany. Mila atao madio hatrany ny fitaovana fikirakirana sakafo toy ny antsy, vilany, fikikisana legioma, ny toerana fitetehana… alohan’ny ampiasana azy ireny. Toy izany ihany koa ny fitaovanana fihinanana toy ny sotro sy ny lovia. Mifindra amin’ny alalan’ireny fitaovana ireny ny loto sy ny baketeria ka mora mahatonga ny fanampoizinana ara-tsakafo ao an-trano. Tsy adinoina ihany koa ny manasa tanana alohan’ny hikirakirana sy hihinana sakafo.

Sasana ny akora rehetra ampiasaina amin’ny fikarakarana sakafo

Mahazava ho azy fa mitahiry ary mora manamparitaka loto sy bakteria ihany koa ny akora rehetra hikarakarana sakafo. Sasana atao madio tsara noho izany ny legioma, ny anana, ny hena sy ireo akora mety sasana alohan’ny andrahoana azy. Mila tadidintsika fa maro ireo loto sy mikraoba entin’ny rivotra sy miparitaka eny an-tsena eny ary mipetraka amin’ireo sakafo amidy. Izany indrindra no antony lehibe mila hanadiovana azy ireny vao azo andrahoina. Torak’izany ihany koa ireo legioma atao lasary. Tsara raha manana « sur’eau » hanadiovana ireto farany mba hamonoana ireo mikraoba sy kankana kely mankarary na mahatonga fanpoizinana ara-tsakafo.

Mila mitandrina amin'ny fitehirizana sakafo ela loatra anaty vata fampangatsiahana

Maro ireo ankohonana no manao « provisions » ny sakafo hoanina mandritra ny herinandro mba ampihena ny fahasahiranana amin’ny andavanandro. Ny sakafo mora mivadika sy masiso toy ny hena sy ny trondro moa dia mila tehirizina anaty vata fampangatsiahana mba hiarovana azy ireny. Azo ampirimina ao ihany koa ny ankamaroan’ny legioma. Mila fitandremana tsara nefa ny fitehirizana sakafo ela loatra anaty vata fampangatsiahana, indrindra raha misy fahatapahan-jiro matetika. Mivadika ho poizina ny hena rehefa lasa mangana sy mamofona. Ny legioma kosa lasa maniry lomotra na holatra. Tsy azo hoanina intsony ireny sakafo simba ireny fa manjary miteraka fanapoizinana ara-tsakafo. Atao masaka tsara ihany koa ny hena rehefa andrahoina mba hamono ny bakteria na bibikely ao aminy.

Jerena tsara ny akora sy sakafo vidiana sao lany daty

Antony iray lehibe mahatonga ny fanapoizinana ara-tsakafo ao an-tokantrano ny fihinana sakafo lany daty. Ny sakafo amin’ny boaty sy ireo sakafo tonda dia vonona no tena voakasik’izany. Ny yaourt, ronono amin’ny baoritra, mayonnaises, sardines, pâtes, confitures, menaka … no anisan’ireo mila tandremana tsara. Ao ihany koa ireo tsakitsaky isan-karazany toy ireny chips, biscuits, chocolats, fromages… izay efa lany daty nefa mbola misy mivarotra eny rehetra eny. Mila jerena tsara ireo sakafo vidiana atao goûter ho an’ny zaza sy ny ankizy hisorohana ny fanapoizinana ara-tsakafo. Fadiana ihany koa ny mividy ireny sakafo amin'ny boaty na amin'ny sachet amidy eny amoron-dalàna ireny. Misy tokoa ireo olon-dratsy efa manova ny daty amin'izy ireny.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo