• Cours de change
  • 4681.81 AR
  • |
  • $4417.52 AR
Copyright Image : © Recettestemple.Com
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo sakafo mampafana tsara hoanina mandritra ny ririnina

09/05/2023 14:06 © Moov.Mg

Rehefa tonga ny ririnina dia mitady ireo fomba rehetra isika hampafana ny vatana. Ankoatra ny fanaovana akanjo mafana dia azo atao ihany koa mihinana sakafo mitondra hafanana. Inona avy ary ireo sakafo mampafana tsara hoanina mandritra ny andro mangatsiaka ?

Ny sakamalaho, sakafo mampafana ny any anaty rehefa mangatsiaka ny andro

Ny sakamalao no anisan’ireo sakafo mampafana haingana rehefa ilay mangatsiaka be iny ny andro amin’ny vaninandro ririnina. Ilay tsirony somary masitsiaka iny no tena mampafana vetivety ny any anaty tratra sy ny vatana any. Mitahiry singa manampy amin’ny fikorian’ny rà ny sakamalaho sady manafana ny « bronches ». Azo atao tsara ny mikepoka sakamalaho madio raha mahazaka izany. Afaka manamboatra dite sakamaloho kosa ireo tsy mahazaka ilay masiaka. Tsara ny misotro dite sakamalaho mafana tsara mba iadiana amin’ny hatsiaka. Azo afangaro voasary makirana kely ny dite mba hampitomboina ny hery fiarovana.

Ny lasopy, sakafo mampafana sy mitondra otrikaina maro

Maro ireo olona mankafy mihinana lasopy rehefa mangatsiaka ny andro. Anisan’ny sakafo mampafana sy mora hoanina tokoa rondron-kaninana rehefa ririnina. Ny lasopy legioma moa dia ahitana karazana legioma isan-karazany ary maro loko. Efa fantatsika nefa fa ny legioma no anisan’ny sakafo be otrikaina ilain’ny vatana. Sady mampafana no mampatanjaka noho izany ny fihinanana lasopy legioma rehefa ririnina. Tsy ambakan’izany ihany koa ny lasopy akoho gasy. Sakafo iray mampafana ary mampodiaina tokoa ity karazana lasopy ity, indrindra ho an’ireo tsy salama nohon’ny andro mangatsiaka.

Ny voanjo, mamatsy angovo sy manafana ny vatana

Maro ny olona hitantsika mitsako voanjo eny an-dalana eny mandritra ny vanim-potoana ririnina. Ny voanjo tokoa mantsy no anisan’ireo sakafo manafana ny vatana rehefa mangatsiaka ny andro. Marihana fa mitahiry calories sy lipides amin’ny tahany ambony ity karazan-tsakafo ity. Ireo singa roa lehibe hita ao amin’ny voanjo ireo no manampy betsaka amin’ny fanafanana ny vatana. Ankoatra izay moa dia mampitombo ny famatsiana angovo ao amin’ny vatana izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo