• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Marie Claire
Image
Fahasalamana&Sakafo

Zaza mandeha tevi-doha : inona no atao ?

04/05/2023 17:10 © Moov.Mg

Tranga matetika hita eo amin’ny zaza sy ny ankizy ny tevi-doha na mandeha rà orona. Toe-javatra tsy misy atahorana loatra izany amin’ny ankapobeny. Raha toa ka tsy azo sakanana ny fivoahan’ny rà dia misy kosa ireo fihetsika azo atao mba tsy hampadeha be loatra izany.

Ireo antony mety mahatonga ny zaza mandeha tevi-doha ?

Maro ireo aretina miseho rehefa mivadika tampoka ny toetr’andro. Anisan’ny tranga mateti-piseho ny zaza mandeha tevi-doha. Tsy tokony mahataitra na mampatahotra loatra izany tranga izany raha toa ka tsy marary na voadoana ny faritry ny orona, na ihany koa hoe miverimberina be ilay izy. Ny fahasimban’ny lalan-drà madinika ao amin’ny “tache vasculaire” eo anelanelan’ny orona matetika no mahatonga ny zaza mandeha rà orona. Marihina fa ny zaza eo amin’ny roa taona hatramin’ny folo taona eo no matetika mandeha tevi-doha. Afaka ho azy izany rehefa miha lehibe izy.
Misy antony 3 lehibe no mety mitarika izany fahasimbana izany. Ny fianjerana, fanisinan-delo matetika na mafy loatra, dona, fiovanan’ny toetry ny andro tampoka (lasa mafana na mangatsiaka loatra) no antony voalohany mahatonga ny zaza mandeha rà orona. Ny fisian’ny ratra na zavatra tafiditra anaty orona no antony faharoa mety mahatonga ny tevi-doha amin’ny ankizy madinika. Ny antony farany dia nohon’ny sery tsy vaky na koa ny tsy fahatomombanan’ny fiasan’ny lalan-drà madinika ao amin’ny orona.

Ahoana ny atao rehefa mandeha tevi-doha ny zaza ?

Rà maloto no mivoaka rehefa mandeha tevi-doha ny zaza. Tsy mitombona izany ny filazan’ny olona sasany hoe ajanony sao manao hémorragie. Fadiana ny manampina ny oron’ny zaza na mampitraka azy tsy hivoahan’ny rà. Azo atao kosa anefa mampihena ny rà mivoaka.
Atao mitodika miorirana ny zaza fa tsy atao mitraka mba tsy hiverina any amin’ny orony ka ho voateliny ny rà mitady lalana hivoaka. Tsindrina amin’ny rantsan-tanana iray eo ambonin’ny vatan-korona, mifanandrify amin’ny maso, mba ampihena miandalana ny tevi-doha. Mila manantona mpitsabo kosa raha toa ka be loatra ny rà mivoaka na miverimberina be loatra ilay tevi-doha.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo