• Cours de change
  • 4681.81 AR
  • |
  • $4417.52 AR
Copyright Image : © Santé Sur Le Net
Image
Fahasalamana&Sakafo

Aretina mpahazo ny ankizy madinika : andao resahana ny Bronchiolite

28/03/2023 06:34 © Moov.Mg

Aretina mpahazo ny zaza menavava sy ny ankizy madinika ny bronchiolite. Mety hitarika sohika (asthme) izy raha tsy voatsabo ara-dalana. Inona tokoa ary ny atao hoe bronchiolite, inona ny fitsaboana izany ary manao ahoana ny fihombon’ny aretina ?

Inona no atao hoe bronchiolite ?

Ny bronchiolite dia aretin-tratra sy ny fisefoana vokatry ny asan'ny viriosy. Maro ny zaza menavava sy sy ireo ankizy latsaky ny roa taona no tena tratra ity aretina ity. Ny vanin’andro mangatsiaka ary indrindra ny ririnina no fotoana hiparitahany. Aretina mora mifindra ny bronchiolite. Ny piti-drora avy amin’ny kohoka, ny fievonana ary eny amin’ny tanana no mamindra azy. Ny ankizy madinika miara-tezaina amin’ny toerana iray toy ny eny amin’ny akany (crèche) no tena lasibatr’ity aretin’ity.

Ireo soritr’aretina sy fambara ny bronchiolite

Anisan’ny soritr’aretina mitranga matetika amin’ny zaza voan’ny bronchiolite ny fisian’ny tazo tsy dia mahery vaika loatra, mari-pana manodidina ny 38°C ary lelo tsy mety afaka. Fambara lehibe tena manamarika ny bronchiolite ny fahasarotan’ny fisefoana. Izany hoe misy fisefoana haingana, misioka, sahirana ary arahin-kohaka. Misy ihany koa ireo fambara na fepetra mitaky ny fanantonana mpitsabo faran’izany haingana. Anisan’izany raha toa ka latsaky ny telo volana ilay zaza, mangana ny faritry ny molony sy ny tarehiny nohon’ny fahasemporana na koa haingana loatra ny fitempon’ny fony.

Fitsaboana ny bronchiolite

Ilaina fanaraha-maso akaiky ny fitsaboana zaza voan’ny bronchiolite satria mety hitarika fahasemporana ary hihombo ho lasa sohika izany raha tsy voatsabo tsara. Noho izany, ilaina indrindra ny fitsaboana azy eny amin’ny hopitaly natokana hoan’ny zaza sy ny ankizy toy ny eny Tsaralalana, Befelatanana na koa eny Ambohimiandra. Ny fanorana ny taovam-pisefoana (kinésithérapie respiratoire) no isan’ny fitsaboana ampiasain’ireo mpitsabo hanoherana ireo soritr’aretin’ny bronchiolite. Fadiana ny manome sirop ody kohoka na fanafody mampihena ny fanaitainana ny zaza satria mety hampihombo ilay aretina izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo