• Cours de change
  • 5008.54 AR
  • |
  • $4481.05 AR
Copyright Image : © Marmiton
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana saosisy kisoa matsiro vita ao an-trano

12/05/2025 16:34 © Moov.Mg

Mahafa-po sy mahafinaritra hatrany ny manamboatra ny saosisy ao an-trano raha oharina amin’ny mividy ireo efa vonona eny an-tsena. Tsara kalitao kokoa ny akora ampiasaina ary afaka mampiasa ny episy izay tiana amin’ny fanomezana tsiro sy hanitra azy. Atoro eto ary ny fanamboarana saosisy kisoa matsiro vita ao an-trano.

Ireo akora ilaina raha hanamboatra saosisy kisoa

-« Epaule de porc » somary matavy kely 1kg ;
-Sira 20g ;
-Dipoavatra 5g ;
-Tongolo gasy vovony 1 sotrokely ;
-Tongolo vovony 1 sotrokely ;
-Rano mangatsiaka be 120 ml ;
-Tsinaina kisoa efa nokobanina tamin’ny rano matimaty na « boyaux de porcs ».

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Tetehana somary kelikely ny nofon-kisoa. Apetraka anaty congélateur mandritra ny 30 hatramin’ny 50 minitra. Atao mangatsiaka be ilay hena fa tsy avela mivaingana kosa nefa. Izany dia hanamorana ny fitotoana azy.
Totoina amin’ny hachoir ny hena mangatsiaka. Rehefa voatoto voalohany dia averina totoana fanindroana mba ho potika tsara sy hahazo ny « texture » ilaina.
Arotsaka anaty saladier iray ny hena voatoto teo, ny sira, ny dipoavatra, ny tongolo gasy vovony sy ny tongolo vovony. Polipolesina tsara amin’ny tanana mandritra ny minitra vitsivitsy mba hifangaro tsara amin’ilay hena ireo « épices ».
Alefa tsikelikely ao anatin’io fangaro io ny rano mangatsiaka be (eau glacée) sady tohizana polesina amin’ny tanana ihany. Tokony hahazo fangaro miraikidraikitra sy mifangaro tsara. Ny rano mangatsiaka dia mampitambatra tsara ilay hena sy hahazo fangaro « juteuse ».
Hanendasana kely io « farce » io hanandramana ny tsirony. Ampiana kely ny sira na ny « épices » raha hita fa tsy ampy.
Atsofoka moramora amin’ny « poussoir à saucisse » ny boyau. Avela misy mihoatra kely eny amin’ny lohany mba hafahana mamatotra izany. Sesefana moramora ilay « farce » ny boyau. Ezahana tsy misy rivotra miforona ao anatiny. Raha misy rivotra miforona dia tsindromina kely amin’ny fanjaitra madio. Atao mahazo endriky ny saosisy itiavana azy rehefa feno ny boyau.
Tsara raha avela mipetraka anaty vata fampangatsiahana mandritra ny ora maro na mandritra ny tontolo alina mba hahazo tsiro tsara sy mba ho maina tsara ny boyau.

Lire la suite

Articles Similaires