Fahasalamana : ‘ndeha ho resahana ny mikasika ny « fibromyalgie »
Marihana ny 12 may ny andro iraisam-pirenena ho an’ny « fibromyalgie » ny amin’ity taona 2025 ity. Mbola vitsy ny mahafantatra ity olana ara-pahasalamana ity eto amintsika nefa dia tena mampijaly tokoa izy ity nohon’ny fanaintainana lalina aterany manerana ny vatana. Andeha àry ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ny « fibromyalgie ».
Inona no atao hoe « fibromyalgie » ?
Ny « fibromyalgie », na « syndrome fibromyalgique », dia areti-mitaiza miseho amin’ny fanaintainana maharitra manerana ny vatana sy amin’ny fahatsapana marary vao voatsindry na voadona kely fotsiny. Matetika ireo fanaintainana ireo dia mipoitra miaraka amin’ny fambara hafa, toy ny harerahana be, fikorontanan’ny torimaso…
Izany hoe fitambarana soritr’aretina maro eo amin’ny vatana ny « fibromyalgie ». Ireo soritr’aretina ireo dia lasa mampihena ny fahafahana na fahavitana manao zavatra amin’ny fiainana andavanandro. Tsy voatery mitovy ny hamafin’ny fanaintainana eo amin’ny olona tsirairay voakasik’izany ary mety mihombo izy izany rehefa mandeha ny fotoana.
Inona antony mety mahatonga ny « fibromyalgie » ?
Mbola tsy fantatra mazava hatreto ny antony manokana mahatonga ny « fibromyalgie ». Araky ny fiheveran’ireo mpikaroka dia mety ho avy amin’ny fikorontanan’ny fiasan’ny atidoha amin’ny fandrindrana ireo « signaux de douleur » izy io. Misy ihany nefa ireo anton-javatra eritreretina fa mahatonga ity olana ara-pahasalamana ity, ka anisan’izany ny :
-Fototarazo. Izany hoe ambony kokoa ny « risques » hahavoa ireo olona efa nisy tratra ny ray aman-dreny na ny fianakaviana akaiky tany aloha ;
-« Facteurs déclenchants ». Izany hoe nisy tranga iray nahatonga azy, toy ny ratra, fandidiana, otrikaretina, rarintsaina… ;
-« Anomalies neurochimiques » na hoe nisy fikorontanana tao amin’ny « neureotransmetteurs » toy ny « sérotonina » sy ny « noradrénaline » izay miasa amin’ny fandrindrana ny fahatsapana fanaintainana ;
-Fikorontanan’ny torimaso matetika na maharitra izay sady antony no fiantraikan’ny « fibromyalgie ».
Ahoana ny fomba fisehon’ny « fibromyalgie » ?
Samy manana ny fomba fisehony ny « fibromyalgie » eo amin’ny marary tsirairay. Anisan’ireo soritr’aretina matetika hita ny :
-Fanaintainana manerana ny vatana. Mahatsapa fanaintainana lalina, manindrona na mavaivay manerana ny vatana manontolo izay maharitra eo amin’ny 3 volana fara fahakeliny. Eo amin’ny faritra toy ny hatoka, lamosina, soroka sy valahana moa no tena marary be ;
-Harerahana lalina. Mahatsapa havizanana be tampoka tsy mety misinda na dia efa maka aina tsara aza ;
-Fikorontanan’ny torimaso. Izany hoe tsy mety mahita tory, mora tapa-tory… ;
-Fisian’ny faritra mora manaintaina vao voadona na voatsindry kely ;
-Fahasahiranana mifantoka sy mitadidy.
Mety misy fambara hafa mipotra ihany koa, toy ny hoe marary an-doha ; tsy mahazaka kitihina, hazavana, tabataba, fofona ; rarintsaina sy fahaketrahana ; « syndrome du côlon irritable » ; tsy mahavita mihetsika rehefa mifoha amin’ny maraina…
Ahoana ny fitsaboana izany ?
Mbola tsy misy hatreto ny fitsaboana ahafahana manasitrana tanteraka ny « fibromyalgie ». Misy kosa ireo fitsaboana sy fandraisana an-tanana manampy hifehezana ireo soritr’aretina sy hanatsarana ny andavanandrom-piainan’ny marary. Anisan’izany ny :
-Fanomezana fanafody mampitony ny fanaintainana, « antidépresseurs »… ;
-Fanazaran-tena manokana sy malefaka, toy ny dia tongotra, lomano mba hanatanjahana ny hozatra sy ny vanintaolana ;
-« Thérapies psychologiques » ;
-Fanamboarana ny fomba fiaina amin’ny alalan’ny fanatsarana ny torimaso, ny fomba fisakafoanana, fifehezana ny rarintsaina…