• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © La Revue Politique Et Parlementaire
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fiadiana amin’ny fahasamiahafana : trisomie 21, andao resahana !

21/03/2023 14:20 © Moov.Mg

Mbola vitsy amintsika Malagasy no mahafantatra ny aretina trisomie 21, antsoina ihany koa hoe « syndrome de down ». Noho izay tsy fahafantarana izay indrindra no mahatonga ny fiaraha-monina manilikilika ireo olona trisomiques. Manana zo mitovy amintsika anefa izy ireny ary afaka hiaraha-miaina tsara. Andeha ary ho resahina ny mahakasika ny trisomie 21.

Inona no atao hoe trisomie 21 ?

Ny trisomie 21 dia aretina iray vokatry ny tsy fahatomombanan’ny chromosome faha 21 ao amin’ny vatana. Manana chromosomes miisa 46, mandeha tsiroaroa isika olombelona. Ho an’ny olona trisomique dia miisa 3 ny chromosome faha 21 raha tokony ho 2 no isan’izany. Ilay mpitsabo antsoina hoe Langdon Down no nahita voalohany ity Trisomie ity tamin'ny taona 1959. Aretina efa hatrany am-bohoka noho izany ny syndrome de down.

Ahoana fomba fitrangan’ny trisomie 21 ?

Hita soritra manomboka eo amin’ny fahaterahana ny zaza trisomique. Manana endrika somary hafakely izay ny olona manana trisomie 21, izany hoe boribory endrika, maso kelikely, volo somary mena, sofina somary ranga sady midina ambany, molotra sady kely no manify. Fohy kokoa izy mitaha amin’ny olona rehetra. Azo sokajiana ho fahasembanana ny trisomie 21 noho izy mitarika tsy fahatomombanana maro, toy ny fahatarana ara-tsaina, aretina any amin’ny fo na vavony, tsy fahatomombanan’ny maso, sofina, fitenenana…

Ny fomba fitaizanana zaza sy ankizy trisomiques

Mila fanaraha-maso akaiky avy amin’ny ray aman-dreny ny fitaizana zaza manana trisomie 21. Mety mitarika aretina maro hafa tokoa mantsy ity tsy fahatomombanan’ny chromosome 21 ity. Ankoatra izay, dia misy ireo fahasembanana eo amin’ny saina mahatonga fahatarana amin’ny fisainana sy ny fahaiza-miaina. Mitarika fiankinan-doha amin’ny ray aman-dreny noho izany ny aretina trisomie 21. Efa misy kosa anefa ankehitriny ireo fikambanana miantsoroka sy manohana ny fitaizana zaza sy ankizy trisomiques eto Madagasikara.
Afaka mananana ho avy tsara sy afaka mahaleo tena izy ireny rehefa manaraka ny fanabeazana sy ireo fandraisan-tanana sahaza azy raha ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana Mada Triso, Andrianarintsaina Laingo. Isika fiaraha-monina ihany koa dia afaka manampy betsaka ireo olona manana trisomie 21 amin’ny fanatsaharana ny fanilihana azy ireny sy amin’ny fanajana ny zo maha olona azy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo