• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © La Maternité Du Franco-Britannique-Hôpital Franco-Britannique
Image
Fahasalamana&Sakafo

Valise de maternité : Ireo fitaovana ilain'ny mpiteraka any amin'ny hopitaly

20/03/2023 14:51 © Moov.Mg

Ilaina ny manomana mialoha ireo entana hoentina mandeha miteraka na ny valise de maternité. Mampitony ny sain’ny vehivavy bevohoka kokoa ny mahita hoe efa vonona ireo zavatra rehetra ilaina andraisana ny zazakely sy ilainy rehefa any amin’ny hopitaly. Inona avy ary ireo fitaovana ilain’ny mpiteraka any amin'ny hopitaly ?

Valise de maternité : ireo zavatra ilaina amin’ny fandraisana zaza vao teraka

Ny entana sy fitaovana handraisana ny zaza vao teraka no homanina voalohany ao anaty ny valise de maternité. Ny akanjo mazava ho azy no hanombohana izany. Ny body, ny couches na ny tati-lamba, ny pataloha kely sy amboniny, ny bonnets, ny akanjo mafana, ny bà tongotra… Manarak’izany ireo lamba hamonosana azy toy ny lange sy ny bodofotsy kely. Tsy adinoina ireo zavatra ilaina amin’ny fanadiovana azy sy ny fikarakarana ny foitra, toy ny serviette, savony, gant de toilettes, bande… Ary farany ireo fitaovana ilaina amin’ny fisakafoanany : biberon, rononon-jaza vao teraka, sotrokely, kaopy, thermos... Matetika, omena amin’ny sotrokely ny ronono amin’ny voalohany rehefa mbola tsy mahay mitsetsitra biberon ny zaza vao teraka.

Ireo entana ilain’ny mpiteraka atao anaty valise de maternité

Koa satria mijanona roa andro na mihoatra any amin’ny hopitaly ny reny sy ny zaza dia mila manomana ny entana ilainy ihany koa ny mpiteraka. Voalohany amin’izany ireo akanjo hisoloana rehefa avy miteraka : akanjo fientina matory, akanjo anaovana rehefa tontolo andro, atin’akanjo, serviettes hygiéniques. Raha mikasa ny ampinono dia tsaratsara raha mivaky amin’ny laony ny akanjo rehetra anaovana mba hanamora ny fampinonoana. Manarak’izany dia ilaina ny mitondra ireo fitaovana fidiovana toy ny savony, ny borosy nify, ny serviette, ny fihogo, ny famatoram-bolo…

Ireo antontan-taratasy mila entina

Ampidirina dieny mialoha ao anaty ny valise de maternité ireo antontan-taratasy rehetra ilaina mba tsy hisy hadino rehefa tonga ny andro hiterahana. Tsara kokoa raha atao anaty fampirimana manokana toy ny valopy lehibe iray ireo taratasy ilaina ao amin’ny hopitaly. Anisan’izany ny carnet nentina nisafo nandritra ny fitondrana vohoka sy ireo antontan-taratasy famantarana toy ny karapanondro, ny fanamarinam-ponenana… Raha sambany vao hiteraka dia tsara foana ny manontany ny mpitsabo ireo zavatra rehetra tokony entina mandeha miteraka, na resaka fitaovana na antontan-taratasy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo