Andro mafana : ireo voankazo sy legioma be rano tsara hoanina
Mandany rano tokoa ny vatana rehefa vaninandro mafana toy izao satria mitombo ny fampiasana sy fanariana rano ataon’ny vatana. Averina ombieny arak’izany ny hoe mila misotro rano tsara isan’andro. Manampy betsaka amin’ny fisorohana ny tsy fahampiana rano ny fihinanana sakafo manan-karena rano. Ireto manaraka ireto ary ny santionany amin’ireo voankazo sy legioma be rano tsara hoanina.
Ny kaokaombira
Ny kaokaombira no isan’ireo voankazo, hoanina toy ny legioma, manankarena rano indrindra satria mitahiry rano 96% izy io. Rehefa mafana be ary ny andro dia tsara ny mihinana kaokaombira ho fanampin’ny rano sotroina. Azo atao lasary na atao « jus » ampiarahana amin’ny voasary makirana sy solila izy io. Sady mampangatsitsiaka no mitondra rano ao amin’ny vatana. Ankoatra izay dia mitahiry vitamina sy mineraly ilaina amin’ny fahasalamana izy io.
Ny voatabia
Ny voatabia no manarakaraka ny kaokaombira raha samy voankazo be rano. Afaka hoanina amin’ny fomba samihafa ihany koa izy io : anaovana ranom-boankazo, atao lasary… Etsy andaniny dia manankarena « lycopène » ihany koa ny voatabia. Ny « lycopène » dia « antioxydant » iray voasokajy ho isan’ireo « caroténoïdes ». Ireto farany moa dia manana anjara asa amin’ny fikolokoloana ny fahasalaman’ny maso, ny fandrisiana ny fihavaozan’ny sela, ny fanamafisana ny hery fiarovana…
Ny korzety
Legioma iray tsy dia be mpankafy, indrindra ny ankizy, ny korzety. Izy io nefa no isan’ireo tsara hoanina rehefa andro mafana noho izy mitahiry rano hatramin’ny 94%. Azo hoanina manta na masaka izy io ary tena mahavoky rehefa ilay te hitsakotsako anelanelam-potoana iny. Ny nofony mamimamy iny no tena mitondra rano betsaka. Mora levonina ary manankarena vitamina ny korzety. Ankoatra ny fanomezany rano ny vatana dia manampy amin’ny fikolokoloana ny fahasalaman’ny fo, ny nify, ny taolana sy ny taova fandevonan-kanina izy io.
Ny « pastèque »
Voankazo iray tena be mpitia rehefa andro mafana toy izao ny « pastèque ». Ahitana rano 91% ao anatiny ka rehefa mihinana azy dia mahatsiaro tena ho afaka hetaheta tokoa. Azo hoanina betsaka izy io satria sady manome rano no mitondra vitamina maro eo amin’ny vatana. Ankoatra izay dia manana fiasa « détox » ny « pastèque » noho izy sady « antioxydant » no manankarena otrikaina. Arak’izany dia manamafy ny hery fiarovana izy sady tsara ho an’ny fo.