• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Recettes100Faim-Cordon-Bleu
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « cordon bleu au porc »

20/12/2024 13:44 © Moov.Mg

Nahandro iray tena matsiro ary be mpankafy ny « cordon bleu au porc ». Mora karakaraina ary tsy dia be masonkarena araky ny fiheverana azy moa ity nahandro mafilotra ity. Raha maniry hikarakara izany ao an-trano ary dia atoro eto ireo zavatra ilaina sy ny fomba fanaovana azy.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « cordon bleu au porc »

-Nofon-kisoa 500 ;
-Jambon silany 4 ;
-Fromazy silany 4 ;
-Atody 2 ;
-Lafarina 100g ;
-Chapelure 200g ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Menaka hanendasana.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Silana efatra ny nofon-kisoa. Atao somary matevina fa tsy manify loatra. Avy eo fisahana tsirairay amin’ny alalan’ny rouleau à pâtisserie ireo nofon-kisoa mba somary manify kokoa sy mitovy tantana. Asiana sira sy dipoavatra ny lafiny roa.
Alaina ny silaka nofon-kisoa iray ary asiana silaka jambon iray sy silaka fromazy 1 eo amboniny. Avalona ilay nofon-kisoa dia hidiana tsara ny sisiny.
Kapohana anaty lovia somary jobo ny atody ary asiana sira kely. Atao anaty lovia somary jobo iray hafa ny lafarina. Atao anaty lovia iray hafa ihany koa ny chapelure.
Ampandalovina anatin’ilay lovia misy lafarina ilay nofon-kisoa, avy eo atsoboka anatin’ny atody ary farany ampandalovina anatin’ny chapelure. Atao rakotra lafarina, atody sy chapelure tsara.
Atao toy ireo dingana voalaza ireo ny nofon-kisoa telo ambiny.
Etsy andaniny hafanaina ny menaka anaty vilany saba. Atao antonony ny afo. Rehefa mamay ny menaka dia endasina mandritra ny 4 hatramin’ny 5 minitra, mandrapa mendimendy azy, ny lafiny tsirairay amin’ny nofon-kisoa nokarakaraina teo.
Rehefa masaka dia esorina tao anaty menaka ary apetraka eo ambony lovia nasiana « papier absorbant » mba hitsiaka ny menaka. Aroso mafana ny « cordon bleu au porc ». Afaka ampiarahana amin’ny salady na legioma izay tiana.

Lire la suite

Articles Similaires