• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tatie Maryse
Image
Fahasalamana&Sakafo

Akondro manta : Misy siramamy natoraly, mety amin'ny diabetika

20/12/2024 08:48 © Moov

Sahirana tokoa ny ankamaroan'ireo diabetika mitady sakafo mampazoto sady mahasalama. Koa satria tsy tokony mihinana siramamy indostrialy, tsara raha misitraka ireo sakafo misy siramamy natoraly toa ny akondro manta.

Anisan'ireo voankazo mahasalama ny akondro, indrindra rehefa manta iny izy. Ny akondro maitso mantsy dia manankarena vitamina isankarazany, toy ny B6, ny B9 sy C ary E. Manala ireo singa ratsy amin'ny vatana izany io voankazo io sady manpitombo ny hery fiarovana ao amin'ny vatana. Tsy azo adino fa mitondra "potassium" ihany koa ny akondro (na manta na masaka) ka mahatsara ny tosidrà sy ny fiasan'ny fo. Misoroka ny "crampes" sy ny "paralysie musculaire" ihany koa izy, rehefa reraka iny ny vatana. Tsy azo adino fa misy siramamy natoraly ny akondro na manta azy, sady mora levonina kokoa noho ny akondro masaka.

Ahoana àry ny fomba hihinanana akondro manta ?

Tsy hanina amin'izao akory ny akondro manta, satria matsatso sady somary madity. Raha efa somary matoy izy no mety ho mamimamy. Matetika dia atao "chips" ny akondro manta, nefa tsy voatery hahasoa izany raha ho an'ireo mifady menaka.
Azo atao "goûter" na laoka izy, raha tetehina lavalava manify, ary asiana sira kely. "Huile de colza" avy eo no somary anendasana azy. Azo atao saosy tsara ihany koa ny akondro manta, ka ampangotrahina aloha vao atambatra amin'ny fanomezan-tsiro isan-karazany. Ampiasaina ohatra ny tongolobe, tongologasy, persily, sakay maitso, sns.
Raha te hihinana sakafo matsiro misy akondro manta kosa, azo atao fangarona "macédoine" izy, izany hoe ampiarahana amin'ny karaoty, arikovera sy mayonnaise. Atao solona ovy izany ny akondro manta satria tsy azon'ny diabetika hanina ny ovy.

Lire la suite

Articles Similaires