• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Plumeti
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana « salade de pomme de terre » matsiro

18/12/2024 16:14 © Moov.Mg

Sakafo iray mora karakaraina, tsy be masonkarena nefa dia tena matsiro azo aroso amin’ny fety ny « salade de pomme de terre ». Tsy mitaky fotoana be sy fahaiza-manao amin’ny fikarakarana sakafo ny fanaovana ity nahandro ity. Araho ary !

Ireo zavatra ilaina raha hanao « salade de pomme de terre »

-Ovy 500g ;
-Atody 3 ;
-Jambon 80g ;
-Tongolo 2 ;
-Menaka 2 sotro fihinanana ;
-Vinaigitra 2 sotrokely ;
-Sira sy dipoavatra.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Sasana tsara ny ovy ary andrahoina miaraka amin’ny hodiny. Tsara raha ovy manga na ovy fahandro no ampiasaina fa tsy ovy fanendy. Rehefa masaka, tsy atao malemy be, dia bataina teo ambony afo. Voasana izy mafana iny avy eo tetehana ho efa-joro.
Andrahoina aman-kodiny mandritra ny 10 minitra ny atody mba hahazoana « œufs durs ». Rehefa masaka dia atao anaty rano mangatsiaka avy eo voasana. Zaraina 4 manaraka ny alavany.
Tetehana ny tongolo ary atao anaty lovia jobo. Arotsaka ao ny menaka, vinaigitra, sira sy dipoavatra ahazoana vinegrety. Tetehana ny jambon.
Atao anaty saladier ny ovy voatetika, ny jambon sy ny vinegrety nokarakaraina teo. Afangaro moramora mba tsy ho potika ny ovy ka ho lasa ratsy endrika. Ampiana sira sy dipoavatra kely raha sendra tsy ampy.
Arotsaka farany ny atody voatetika hanaingoana ny « salade de pomme de terre ».

Fanamarihana

Azo asiana « mayonnaise » ihany koa ity « salade » ity raha tiana mbola hatsiro kokoa. Raha tiana dia rarahana persily notetehana madinika kely hanomezana loko sy tsiro azy amin’ny farany.

Lire la suite

Articles Similaires