• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © 123Rf
Image
Fahasalamana&Sakafo

Salady maitso : Mampitombo ny hery fiarovana sady tsy mampatavy

21/12/2024 07:13 © Moov

Ireo te hihena sy te hitazona lanja no tena mankafy ny salady. Amporisihina ny rehetra nefa ny fihinana azy, mba hahasalama tsara.

Sakafo mety amin'ny vatana

Tsy natao hanina isan'andro ny salady. Tsara kosa nefa raha mihinana io sakafo io indroa na in-telo isan-kerinandro. Raha ny fikarohana nataon'ireo manam-pahaizana, tena mahasoa ny vatana ny salady :
-Mampitombo ny hery fiarovana, ka tsy ho mora andairan'aretina ny mpihinana azy, noho ny vitamina C sy K ananany ;
-Mahatsara ny fahasalaman'ny maso noho izy manankarena vitamina A ;
-Tsy mampitombo, ary azo ampiasaina mihitsy amin'ny fampihenana vatana, noho izy tsy dia mitondra kaloria firy ;
-Mitazona ny vatana mba ho ampy rano tsara ;
-Manamora ny fandevonankanina, noho izy be fibres.

Fihinanana ny salady

Tsara ny manamarika fa tokony ampiarahana amina fangaro mahavoky kokoa ny salady na te hihen-danja ao anatin'ny fotoana fohy aza. Mankarary vavony mantsy ny fihinanana salady fotsiny amin'ny atoandro na hariva, indrindra fa somary marikivy ny saosiny matetika. Aleo manomana mofo, paty na hena hihinanana ilay salady.
Hanina amin'ny saosy vinaigrety ny salady, mba hampatsiro azy. Azo ampiana voatabia, fromazy, olives sy "œuf dur" ihany koa ny fangaro avy eo. Raha sakafo matsiro no tiana hanina, marobe ireo fangaro azo ampiarahana amin'ny salady : betterave, charcuteries, fruits de mer, nofon'akoho, zavokà, sns.
Azo atao "accompagnement" ny salady raha tsy te hihinam-bary, ka hena no hanina miaraka aminy. Rehefa matsirotsiro sy somary be menaka ny sakafo, dia tena ilaina ny salady somary atao marikivy.

Fanadiovana ny salady

Itoerana mikraoba maro matetika ny zava-maitso toy ny salady. Noho izany dia mila sasana tsara amin'ny rano madio izy vao hanina. Ahotsakotsana tsirairay ny raviny, ary kobanina tsara avy eo. Mety hitarika aretina ny fihinanana salady tsy voadio tsara, indrindra ireny eny amoron-dalana ireny. Raha tsy azo antoka ny fahadiovan'ny trano fisakafoana iray, aleo tsy kitihina mihitsy ny salady eo ambony lovia.

Lire la suite

Articles Similaires