• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Quoi Qu'On Mange
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana « esquimaux » ao an-trano

29/11/2024 16:44 © Moov.Mg

Isan’ireo sakafo mampangatsitsiaka amin’izao andro mafana izao ary be mpankafy ny « esquimaux ». Maro amintsika no maniry hanamboatra azy ireny ao an-trano ao. Araho eto ary ireo zavatra ilaina sy ny fomba fanaovana « esquimaux » matsiro sy mora karakaraina.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « esquimaux »

-Chocolat noir 130g ;
-Crème liquide entière 145g ;
-Ronono 30g ;
-Yaourt 95g ;
-Siramamy mena 50g ;
-Tantely 25g ;
-Rano mineraly 20ml.

Ireo dingana amin’ny fanaovana « esquimaux »

Arotsaka anaty vilany ny crème liquide entière, ny ronono, ny siramamy mena ary ny tantely. Ataingina ambony afo malefaka mandrapangotraka azy.
Etsy andaniny atsonika ny sôkôla avy eo esorina teo ambony afo.
Arotsaka intelo miantoana amin’ilay sôkôla ilay fangaro teo ambony. Arotsaka aloha ny ampahany voalohany dia aroharoana tsara, avy eo arotsaka indray ny ampahany faharoa dia aroharoana tsara ary arotsaka ny fanintelony dia aroharoana tsara.
Rehefa izay dia tokony mahazo fangaro mitambatra sy malama tsara. Avy eo arotsaka ny rano dia afangaro. Arotsaka indray ny yaourt dia aroharoana tsara .
Zaraina anaty « moules à esquimaux » amin’izay io fangaro io. Tsatohana hazo fisaka fampiasa amin’ny « esquimaux » izy tsirairay avy. Ampidirina anaty « congélateur » mandritra ny adiny 4 ora farafahakeliny.

Lire la suite

Articles Similaires