• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Radio France
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tanora tia andrakandrana : Ireo vokatry ny fandraisana zava-mahadomelina mahery vaika

26/12/2024 10:11 © Moov

Manomboka amin'ny fifohana sigara sy fisotroana labiera matetika ny ditran'ny adolantsento sy ny tanora. Misy ihany ireo mahafehy tena ka mahavita miala amin'izany mba hifantoka tsara amin'ny fianarana. Misy kosa nefa ireo tsy mionona amin'ny zava-mahadomelina tsotsotra fa te hampiakatra ny vokany eo amin'ny vatana.

Rehefa tsy "mahatondra" intsony ny sigara, ny labiera sy ny toaka dia miditra amina dingana iray ireo tia andrakandrana : zava-mahadomelina mahery vaika. Singanina manokana amin'izany ny "cocaïne" sy ny mitovitovy karazana aminy. Na dia voarara aza ny fivarotana sy ny fividianana azy io, misy foana ireo mahitahita. Ao ireo mifoka, mitsindrona na mihinana izany miaraka amin'ny sakafo (mofomamy ohatra). Tsy misy vokatra tsara amin'ny fandraisana zava-mahadomelina mahery vaika nefa, na indray mandeha monja aza no mikasika azy.
Tsy azo adino fa misy ihany koa ireo midoroka tsy fidiny noho ny famosavian'ny namana. Asian'ireo mpiara-mpirevy vovoka rongony ohatra ny sigara na ny toaka.

Fahasahiana tsy voafehy

Mahakasika ny atidoha ny zava-mahadomelina ka manova ny fomba fiasany. Very ny maha-izy azy ilay mpidoroka na mpanandrana, ka tsy mahagaga raha manaonao foana. Lasa sahisahy ratsy rehefa domelina : manao accident raha mitondra fiara/ moto, mifamaly amin'olona amin'ny tsy antony, mikasi-tanana sady mety hamono hahafaty mihitsy, hisetrasetra, hanolana, sns. Tsy tompon'ny tenany ilay mpidoroka, ka ny fanakorontanana nataony aza tsy ho tadidiny akory rehefa misava ny maha-domelina azy.

Fahapotehan'ny atidoha

Misy ireo tsy mahazaka ny zava-mahadomelina ka "mipika" avy hatrany. Somary lasa tsy ampiampy kely avy eo ka tsy mahavita asa na fianarana toy ny teo aloha, miteny irery, miomehy amin'ny zavatra tsy misy dikany. Mitombo hatrany ny marika hahafantarana fa mihasimba ny atidoha, indrindra raha lasa miankindoha tanteraka amin'ny zava-mahadomelina mahery vaika. Mety hanary lamba sy ho lasa adala mihitsy rehefa ela ny ela. Tsy ho mora ny fitsaboana satria mila manantona manam-pahaizana ary mijanona any amina "centre de désintoxication" mandritra ny fotoana maharitra.

Fahanterana vetivety

Mety hahazo na hihendanja vetivety ny olona mandray zava-mahadomelina mahery vaika. Manapotika ny fiasan'ny taova nefa ny singa ao anatiny ka mahatonga ny fahapotehan'ny hoditra sy ny aretina samihafa. Mety ho fotsy vetivety ihany koa ny volo na hihitsana mihitsy aza. Mety ho potika ihany koa ny nify na dia voahaja tsara aza ny fahadiovana.

Fiankinandoha tanteraka

Mitady ilay "drogue" hatrany ny vatana, na indray mandeha aza no manandrana. Tsy mahavita na inona na inona mihitsy raha tsy mahazo ilay zava-mahadomelina. Misy mihitsy aza ireo manao "crise" raha vao tapahina ilay fandraisana zava-mahadomelina.Rehefa miroso amin'ny fitsaboana ka hahena ny rongony omena ilay marary na ajanona mihitsy, dia ilay "crise" lavareny no tena mitarika amin'ny fahafatesana. Mandreraka tanteraka ny vatana mantsy ny tsy famaliana ilay filàna.
Tsy azo heverina mihitsy ny hoe hanana fiainana milamina tsara ny tanora mandray zava-mahadomelina mahery vaika. Ny ankamaroan'ireo voafatotra dia tsy manohy fianarana intsony sady tsy manana hoavy mamiratra amin'ny asa. Araka ny efa nambara tetsy aloha, tsy mora ny fitsaboana atrehina, ary tsy azo antoka hoe ho sitrana tanteraka. Tsy mitondra vokatsoa ny andrakandrana, indrindra moa raha zavatra manimba ny vatana sy ny saina.

Lire la suite

Articles Similaires