• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Maison Boudet
Image
Fahasalamana&Sakafo

Andro fety : Fisorohana ny "Intoxication alimentaire"

23/12/2024 06:14 © Moov

Anisan'ny aretina mateti-pitranga amin'izao fety izao ny fanapoizinana ara-tsakafo na intoxication alimentaire. Mila mitandrina araka izany ny tsirairay mba tsy ho any amin'ny toeram-pitsaboana no handaniana ny fety amin'ity taona ity.

Azo atao tsara ny mitandrina, mba ho sakafo ara-pahasalamana tsara no hanina.

Mikarakara sakafo ao an-trano

Samy te hankafy ny fety ny rehetra. Noho izany dia tsy vitsy ireo "kamo" mikarakara. Maro rahateo ny fandaharam-potoana ka mety ho sahirana ny fianakaviana amin'ny fikarakarana sakafo.
Raha ny tena tsara nefa, aleo ny sakafo karakaraina ihany no hanina. Raha azo atao dia tsy mividy ireny sakafo amin'ny boaty na "à rechauffer ireny". Miparitaka mantsy izao ireo karazana sakafo indostrialy, ka misy amin'izy ireny no misy akora simika mavesatra na mety ho lany daty mihitsy izany.
-Vidiana manta eny an-tsena avokoa na ny hena na ny legioma na ny voankazo ka mitady "recettes" mahaliana avy eo ;
-Amporisihina ihany koa ny fanodinana "mayonnaise" amin'ny tanana na masinina. Tsy afangaro amin'ny sakafo io vokatra io raha tsy efa hihinana ireo sakafo. Ampahatsiahivina fa tsy azo ampifangaroana mihitsy ny mayonnaise amin'ny boaty sy ny vita tanana ;
-Sasana tsara avokoa ireo vokatra karakaraina sy ireo fitaovana ampiasaina ;
-Fidiana tsara ny menaka ampiasaina, ary tsy ampiasaina intsony ny menaka avy nanendasana ;
-Raha mividy "charcuteries", aleo vokatra azo antoka no vidiana. Raha sendra maheno masiso na mahatsikaritra fiovana loko, dia aleo tsy mihinana mihitsy ;
-Tsy tehirizina ela loatra ny sakafo misy mayonnaise, ny mofomamy misy crème ary ny ranomboankazo ;
-Tsara raha ranomboankazo natoraly, tsy be siramamy, no sotroina mandritra ny fety. Ferana ny zava-pisotro misy alikaola.
-Lanjalanjaina ny sakafo matsiro sy matavy hanina, ary tsy atao roa na telo andro misesy ny fihinanambe. Ny ampitson'ny krismasy, tsara raha atao rony matsatsotsatso ny laoka ohatra.

Manantona mpitsabo raha misy mampiahiahy

Maro ireo fianakaviana voaasa any an-tranon'ny havana na namana, na koa misafidy ny hisakafo any amin'ny "restaurant". Noho izany, mety hisy ny tsy ampoizina, na manaja ny fahadiovana sy ny fitandremana rehetra aza ireo mpikarakara.
Raha misalebolebo lava, mandoha na mivalana tampoka, aleo tsy manao dokotera tena, na manana fanafody isan-karazany aza. Tsara raha manantona toeram-pitsaboana farak'izay haingana raha misy mampiahiahy. Tsara ny manamarika fa mahafaty ny fivalanana sy ny fanapoizinana ara-tsakafo, na ho an'ny ankizy na ho an'ny olondehibe.

Lire la suite

Articles Similaires