• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Zeste
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana « côte de porc panée »

24/07/2024 16:13 © Moov.Mg

Nahandro iray isan’ny matsiro tokoa ny « côte de porc panée ». Lafatra tokoa izy ireny rehefa hoanina eny amin’ny toeram-pisakafoanana mahay mikarakara azy tsara. Ho an’ireo mpankafy maniry hanao « côte de porc panée » ao an-trano ary dia atoro eto ny fikarakarana izany.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « côte de porc panée »

-« Côte de porc » 500g ;
-Atody 2 ;
-Chapelure ;
-Lafarina ;
-Dibera ;
-Sira sy dipoavatra.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Tetehana sy sasana ny « côte de porc » ary avela hitsiaka tsara anaty passoire.
Kapohana amin’ny atody anaty lovia jobo ny atody. Asiana sira kely ary kapohana tsara toy ny manao « omelette ».
Araraka anaty lovia jobo iray hafa ny chapelure.
Asiana sira sy dipoavatra ny « côte de porc » ary atao mihosotra tsara.
Avy eo rarahana lafarina ny lafiny roa amin’ireo « côtes ».
Ajoboka tsirairay anatin’ny atody ny « côtes », atao mihosotra tsara, avy eo ajoboka anatin’ny chapelure, atao mihosotra tsara ihany koa.
Afanaina anaty lapoaly ny dibera ary rehefa mitsonika dia endasina eo amboniny ny « côte de porc ». Atao mendy ny lafiny ilany avy eo avadika amin’ny lafiny ilany. Tsy atao mamay be loatra ny afo fa atao antonony.
Azo asolo menaka ny dibera ary endasina anaty vilany saba ny « côte panée » raha atahorana tsy ho masaka tsara.

Lire la suite

Articles Similaires