• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cuisine Az
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana « compote de pommes »

04/09/2024 16:21 © Moov.Mg

Rehefa tonga ny fotoana fahavokaran’ny paoma dia maro amintsika ny mankafy mahandro azy ireny. Azo atao tsindrin-tsakafo, goûter na koa ahositra amin’ny mofo rehefa maraina izy ireny. Ho an’ireo mbola tsy mahay mikarakara izany ary dia atoro eto ny fomba tsotra fanaovana « compote de pommes ».

Ireo zavatra ilaina raha hanao « compote de pommes »

-Paoma 1kg ;
-Siramamy 100g ;
-Ranona voasary makirana 2 sotrokely ;
-Dibera kely ;
-Rano tapaky ny vera ;
-Kanelina (tsy voatery).

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Sasana ary voasana ny paoma. Zaraina 4 ary esorina ny voany. Afaka tetehana kelikely kokoa raha ngeza be ireo paoma. Tsara raha ireo karazana paoma fahandro no safidiana, izany hoe ilay somary marikivy. Mety ihany koa nefa ny Golden raha tsy mahita.
Arotsaka anaty vilany ny paoma, ny siramamy, ny rano ary ny dibera. Andrahoina amin’ny afo malefaka. Rehefa mangotraka dia manomboka mipasaka ireo paoma. Amin’io fotoana io no tetehana amin’ny sotrobe hazo ho potika.
Aroharohana tsara mba hifangaro sy hiparitaka tsara ny siramamy. Rehefa potsitra tsara sy tsy misy rano intsony dia arotsaka ao ny ranona voasary makirana sy ny vovoka kanelina. Tsy atao be loatra ny kanelina manjary voatsindrin’izany ny tsiron’ny paoma.
Endrasana mangatsiaka avy eo afindra anaty bocal madio tsara sy maina tsara. Azo tehirizina anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 2 herinandro raha natao ritra tsara tsy nisy ranony intsony.
Fanamarihana : raha homena zazakely dia tsara raha potserina anaty mixeur mba tsy hisy tambaingany intsony mihintsy.

Lire la suite

Articles Similaires