Fahasalamana : ‘ndeha ho resahana ny mikasika ny fahasemporana
Soritr’aretina isan’ny be mpahazo ny fahasemporana. Matetika dia toa tsinontsiniavona na tsy dia rarahiana firy izy io nefa dia mety mitarika fahasarotana tokoa raha tsy voaray an-tanana ara-dalàna. Fa inona tokoa moa ny hoe sempotra ? Inona avy ireo karazana fahasemporana sy ny antony mahatonga izany ?
Inona no atao hoe fahasemporana na hoe sempotra ?
Ny fahasemporana, raha eo amin’ny lafiny ara-medikaly, dia ny fahatsapana fanelingelenana na fahasahiranana rehefa miaina. Izany hoe mety ho lasa miadana na malaky be ny fiaina, mety mahatsapa tsy mahafoka rivotra ara-dalàna na koa mety hoe mahatsiaro tsy ampy rivotra. Marihana fa misy karazany roa lehibe ny fisehon’ny fahasemporana, ny voalohany dia mety hitranga tampoka sy malaky be ary ny faharoa mety miseho miandalana, tsikelikely.
Ny fahasemporana tampoka sy tonga malaky be
Araky izany fiantso azy izany dia miseho tampoka ary haingana be ity karazana fahasemporana ity. Maro ireo antony mety mahatonga izany ka anisan’izany ny olan’ny lalan-drivotra, ny fivontosan’ny lalan-drivotra, ny fisian’ny zavatra manakana anaty tenda, olan’ny fo, taolan-tratra tapaka, olan’ny taovam-pisefoana, diabeta, olan’ny hozatra, fahaverezan-drà be…
Mety mahafaty haingana izy raha toa ka tsy voaray an-tanana malaky. Sokajiana ho giravy ny fahasemporana tampoka raha ilay marary ka :
-Miaina malaky be na miadana be ;
-Mihenjana ny hoza-tenda rehefa miaina ;
-Mangana ny molotra sy ny rantsam-batana ;
-Fanina ;
-Tsy mahavita miteny ;
-Tsembo-dratsy ;
-Mikoropaka be ;
-Torana.
Ny fahasemporana tonga miandalana sy tsikelikely
Ity karazana fahasemporana ity dia miseho tsikelikely sy miandalana, mety hoe amam-bolana na aman-taona mihintsy aza. Maro ihany koa ny antony mety mahatonga izany, toy ny tsy fahampian-drà maharitra (anémie), aretin’fo, olan’ny taovam-pisefoana, aretin’ny voa, aretin’ny aty toy ny cirrhose, tsy fahatomombanan’ny thyroïde…