• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Vie Naturelle
Image
Fahasalamana&Sakafo

Hodimaso mangovingovitra : ireo tsara fantatra mikasik’izany

06/09/2024 11:47 © Moov.Mg

Toe-javatra mety mitranga ny hoe mangovingovitra na hoe mihetsiketsika tsy fanahiniana ny hodimaso. Manelingelina ary mety mampitaintaina tokoa izany. Fa inona no antony mety mahatonga ny hodimaso mangovingovitra ? Araho ary ny mikasik’izany.

Inona tokoa moa ny fangovitan’ny hodimaso ?

Ny fangovitan’ny maso dia ny fikainkonana tsy nahy sy malaky ny hozatry ny hodimaso. Mety miseho toy ny fihovitana malefaka sy miatoato izy io na fangovitana maharitra kokoa. Matetika dia tsy dia misy atahorana loatra io fangovitan’ny hodimaso io. Na izany aza nefa dia mety tsy mampahazo aina ary manelingelina amin’ny fanaovana ny asa aman-draharaha.
Amin’ny ankapobeny dia ny hodimaso ilany ihany no ahitana izany hodimaso, fa mety hitranga amin’ny hodimaso roa ihany koa nefa izany. Mety maharitra segondra vitsy na minitra vitsy, nefa koa koa mety mandritra ny andro maro ny fangovitan’ny maso.

Ireo antony mety mahatonga ny fangovitan’ny hodimaso

Maro ireo antony mety mahatonga ny hodimaso hangovitra ka anisan’izany ny :

Harerahana

Ny havizanana vokatry ny tsy fahampiana torimaso, ny fampiasana vatana na saina be loatra mandritra ny fotoana maharitra… dia isan’ny mahatonga ny fangovitan’ny hodimaso. Rehefa reraka tokoa mantsy ny vatana dia mety mikorontana ny « système nerveux » ka mitarika fikainkonan’ny hozatra tsy nahy ka anatin’izany ny hodimaso.

Ny rarintsaina

Ny rarintsaina maharitra ihany koa dia mety mampangovitra tsy nahy ny hodimaso. Misy fiantraikany amin’ny « système nerveux » ihany koa mantsy izany ka miseho amin’ny fikainkonan’ny hozatra sy ny hodimaso. Voakasik’izany avokoa na ny rarintsaina avy amin’ny asa, ny toe-po…

Fampiasana fitaovana fitaovana misy « écrans » be loatra

Ny fampiasana solosaina, finday, tablette… mandritra ny fotoana maharitra loatra dia mampiasa mafy ny maso sy ny hozatra ao aminy. Rehefa reraka ny maso dia mitranga ireo fikainkonana tsy nahy ny hodimaso.

Anton-javatra samihafa

Misy ihany koa ireo anton-javatra samihafa mety mahatonga ny fangovitan’ny hodimaso, toy ny tosidrà ambony na koa zavatra tafiditra anaty maso toy ny fasika ohatra. Ny fangovitan’ny hodimaso ihany koa dia mety ho fambaran’aretina toy ny « sclérose en plaque », « tumeur cérébrale » na aretin’ny atidoha hafa.

Oviana no tokony hanahy ?

Araka ny voalaza teo ambony dia matetika tsy dia misy atahorana loatra ny fangovitan’ny hodimaso. Mila manahy kosa nefa raha toa ka maharitra 2 na 3 herinandro tsy miato izany na koa misy soritr’aretina tsy aradalàna miseho miaraka aminy. Raha izany no mitranga dia mila manantona mpitsabo mba hanatanteraka ny fizahana sy ny fitiliana hijerena ny mahatonga ny hodimaso mangovitra.

Lire la suite

Articles Similaires