• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ma Patisserie
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fikarakarana masikita vita amin’ny toton-kena

16/07/2024 08:36 © Moov.Mg

Tsakitsaky ankafizin’ny maro tokoa raha ny masikita na ny « brochettes ». Misy fotoana nefa isika sendra ny hena mafy ka diso fanantenana, indrindra raha masikita omby no hoanina. Raha te hinana « brochettes » malemy sy matsiro dia afaka andramana indray ny masikita vita amin’ny toton-kena. Araho eto ary ny fikarakarana izany.

Ireo zavatra ilaina raha hanao masikita vita amin’ny toton-kena

-Toton-kena 500 g ;
-Tongolo gasy hasiny 4 ;
-Tongolo voakiky 3 sotro fihinanana ;
-Persil 3 voatetika madinika 3 sotro fihinanana ;
-Sira ;
-Sakamalaho voakiky ¼ ny sotrokely ;
-Tahona masikita hazo 28.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Raha tahona masikita hazo no ampiasaina dia ajoboka anaty rano mangatsiaka mandritra ny 30 minitra aloha izany avy eo avela hitsiaka. Raha vy kosa dia sasana madio tsara ary avela ho maina.
Totoana anaty laona na anaty « mixeur » ny tongolo gasy sy ny sira hifangaro tsara sy ho potsitra malemy.
Afangaro anaty « saladier » ny tongolo gasy, tongolo voatetika madinika, persil, sakamalaho voakiky, sy ny toton-kena. Asiana menaka 2 sotro fihinanana ary atao mifangaro tsara daholo.
Rehefa mifangaro tsara dia volavolaina amin’ny tanana ahazoana boribory, toy ny henabaolina, miisa 28. Avy eo alaina tsirairay ary fisahana aloha avy eo apetaka amin’ny tahona masikita manaraka ny halavany.
Tokony mahazo endrika lavalava toy ny saosisy. Mazava ho azy fa tsy fenoina daholo ny tahona masikita fa avela misy ambiny hitazomana azy.
Rehefa vita daholo dia apetraka ambony « plat » lehibe ny masikita ary saromana « papier film » avy eo avela mipetraka anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 30 minitra.
Miditra amin’ny fanatonoana amin’izay. Atao malefaka ny afon’ny fatana ary osorana menaka matetika ny « grille » hanatonoana ny masikita.

Lire la suite

Articles Similaires