• Cours de change
  • 4746.7 AR
  • |
  • $4418.53 AR
Copyright Image : © Femme Actuelle
Image
Sexualité & Mariage

Fananahan’ny mpivady : maha bevohoka ve ny « liquide pré-séminal »

13/12/2023 10:13 © Moov.Mg

Anisan’ny fanontaniana manitikitika ny mpivady, indrindra ireo tsy mampiasa fanabeazana aizana, ny mahakasika ny « liquide pré-séminal ». Maro no milaza fa mety maha bevohoka izy io. Fa inona tokoa moa izany « liquide pré-séminal » ary oviana izy no mivoaka ? Inona no anjara asany ? Maha bevohoka tokoa ve izy io ?

Inona no atao hoe « liquide pré-séminal » ?

Ny « liquide pré-séminal » dia ilay tsiranoka mivoaka amin’ny filahiana amin’ny firaisana ara-nofo. Samy hafa ny « liquide pré-séminal » sy ny ranon’aina. Ny « liquide pré-séminal » dia ilay tsiranoka madity tsy misy loko na fofona mivoaka amin’ny filahiana mialoha ny firaisana ara-nofo. Izany hoe mandritra ny mpivady mbola mifampikitikitika iny. Rehefa mihenjana tsara ny filahiana ary tena "excité" tsara ny lehilahy dia mivoaka izy. Ny ranon’aina kosa dia ilay tsiranoka mivoaka amin’ny filahiana mandritra ny « éjaculation ». Izy ireo no mitondra ny tsirinaina na « spermatozoïdes ».

Inona no anjara asan’ny « liquide pré-séminal » ?

Mizara roa ny asan'ny « liquide pré-séminal ». Voalohany dia mba hampalama ny filahiana ka manamora ny fidirany mandritra ny firaisana ara-nofo. Izany hoe miasa toy ny karazana « lubrifiant » natoraly. Ny asany faharoa dia manadio ny « urètre », lalan’ny ranon’aina, raha toa ka misy firaisana avy hatrany aorian’ny « éjaculation ». Izany hoe manala ireo ambin’ny tsirinaina tavela tao anatin’ny « urètre » alohan’ny « éjaculation » manaraka. Marihana moa fa tsy afaka tazomina tsy hivoaka ny « liquide pré-séminal ». Voajanahary ny fisiany sy ny fivoahany ary ilaina izany amin’ny firaisana ara-nofo.

Maha bevohoka ve ny « liquide pré-séminal » ?

Satria moa tsy mitahiry tsirinaina (spermatozoïdes) ny « liquide pré-séminal » dia tsy maha bevohoka izy noho izany. Mila mitandrina kosa nefa raha manao firaisana ara-nofo misesy, izany hoe raha efa nisy « éjaculatin » dia mamerina manao firaisana indray. Ilay « liquide pré-séminal » faharoa dia mety mitondra ambina tsirinaina tavela tao anaty « urètre » raha mbola nisy tao. Raha izay no mitranga dia mety maha bevohoka io tsiranoka mivoaka alohan’ny firaisana ara-nofo io raha toa ka mandritra ny fotoana maha lonaka ny vehivavy no miray ara-nofo.
Raha hanao firaisana ara-nofo in-droa misesy dia tsara raha misotro rano mangatsiaka ny lehilahy ary mivalan-drano aloha vao miray ara-nofo fanindroany. Mivoaka manaraka ny fivalanan-drano ireo ambina ranon’aina tavela tao amin’ny « urètre ». Tsara ihany koa raha misasa mihintsy vao miray indray.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo